PolitikaSongadim-baovao
FAMPIAKARANA NY VIDIN-TSOLIKA: Mitohy ny fikaonandoha eo amin’ny Fanjakana sy ireo Kaompanian-tsolika
Tsy mbola misy fiovana ny vidin-tsolika eto Madagasikara hatreto. Tsy mbola voafaritra koa ny fotoana mety hiakaran’izany. Raha ny fanazavana dia mbola anatin’ny fifampiraharahana tanteraka ny Fitondram-panjakana sy ireo mpandraharaha amin’ny famatsiana solika amin’izao fotoana izao, amin’ny fametrahana ny sarany izay sady mitsinjo ihany koa ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Tsy misy ahina ny tahiry…
Tobin-tsolika maro teto an-drenivohitra, sy tany amin’ny Faritra, omaly no nisehoana filaharam-ben’ireo fiara hanjifa solika. Maro ireo nameno tanteraka ny fitoeran-tsoliky ny fiara , tsy vitsy koa ireo nanjifa solika tamin’ny “bidon” maro be. Inona no antony? Tahotra ny tsy fahampian’ny tahiry ve ? sa tahotra ny fiakaran’ny vidin-tsolika? Manoloana ireo tranga ireo, nandray fepetra omaly ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH) tamin’ny alalan’ny naoty fa tsy azo atao ny manjifa solika amin’ny alalan’ny “bidon” maro be. Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny OMH, andriamatoa Olivier Jean Baptiste, dia misy lafiny maromaro tsy mampety ny fitsinjarana solika amin’ny “Bidon”. Isan’ny tsy mampety azy, ohatra, ny fanaovana tahirina solika any an-trano izay mampitera-doza, satria misy entona ny solika, ka mahatonga firehetana. Nambarany fa tranga efa niseho foana izany tany aloha. Antony handrarana ny fividianana solika amin’ny “bidon” ihany koa ny trangana fanararaotana mety hiseho. Izany hoe, hitahiry solika any ambadimbadika any ilay olona dia avy eo hanao varo-maizina indray rehefa tonga ny fotoana mampiakatra ny vidiny.
Nanamafy anefa ny Tale Jeneralin’ny OMH fa tsy voarara tanteraka akory ny fitsinjarana solika amin’ny “bidon”, fa iray ihany no azo atao, satria mety ilaina amin’ny “groupe” ohatra, na ampiasaina amin’ny fiara lany solika.
Firenena maro efa nampiakatra
Amin’ity anio ity dia notsindrian’ny tomponandraikitra fa tsy mbola hihetsika ny vidin’ny solika eto Madagasikara. Matetika mantsy ny olona mihevitra rehefa faran’ny volana na fiandohan’ny volana no misy fiovana ny vidin’ny solika. Nohamafisiny kosa anefa fa tsy azo ihodivirina io fiakaram-bidy io, ary firenena maro maneran-tany no efa nampiakatra ny vidin-tsolika tany amin’izy ireo tsirairay avy. Ny fotoana hahatanterahan’izany kosa no tsy mbola voafaritra, raha ho antsika manokana. Raha ny tatitra hatrany dia mbola anaty fikaonandoha ny eo anivon’ny Fitondram-panjakana sy ireo Kaompanian-tsolika amin’izao fotoana izao. Miankina amin’ny vokatry ny fifampidinihan’ny roa tonta no hahafantarana ny vidin-tsolika vaovao eto Madagasikara. Mazava ho azy, tsy maintsy anatin’ny fitsinjovana ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny fampiakarana hisy. Mbola nohamafisin’ny Minisitra tomponandraikitra rahateo izany teny Ivato, afak’omaly.
Farany, sambo efatra no tonga teto Madagasikara tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, miantoka ny famatsiana solika manerana ny Nosy. Ny sambo fahefatra amin’ireo dia mbola andalam-panesorana ny solika ao Toamasina. Dikany, tsy misy ahina ny famatsiana solika manerana ny Nosy, araka ny fanazavana hatrany.



