Songadim-baovaoSosialy
FAMPIANARANA TEKNIKA: Mpiadina miisa 40.066 miatrika ny fanadinana hidirana taona voalohany
Miisa 40.066 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana hidirana ho taona voalohany eny anivon’ireo Lisea Teknika manerana ny Nosy, nanomboka omaly. Notsinjaraina ao anatin’ny ivo-toeram-panadinana miisa 156 izy ireo, izay ahitana efitranom-piadinana miisa 1300. Ny 1600 amin’ireo no hiadina eny amin’ny LTPC Ampefiloha, hifaninana sy hiadina hiditra taona voalohany eny amin’ny Lisea Teknika. Haharitra roa andro izany fanadinana izany, ary ny taranja ara-tsiantifika sy ny « littéraire » no hanadinana ny mpiadina mandritra io roa andro misesy io. Marihina fa nahitana fiakarana ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity raha toa ka miisa 37.645 ny isan’ny mpiadina tamin’ny taona 2020.
400 na 500 ireo horaisina
Tamin’ny andro voalohany omaly, tonga nijery ifotony ny firindran’ny fanadinana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Tsikel’Iankina Ernest, niaraka tamin’ny Tale misahana ny fanadinana, ny Talen’ny UCAI ary ny tao amin’ny Kabinetra. Tanjona amin’izao fanadinana sy fifaninanana izao ny hidirana amin’ny taona voalohany, izay ahafahana mametraka sivana hitsongaina ireo tena mendrika ka horaisina hiditra ao amin’ny taona voalohany eny amin’ny LTPC Ampefiloha, hoy ny Proviseur. Novinavinaina eo amin’ny 400 na 500 eo ny fitambaran’ireo mpianatra horaisina, izay hitsinjara 40 na 50 isaky ny kilasy, raha ny fanazavana. Hisy ihany koa ny sampam-panofanana matihanina ho an’ireo tsy voaray hiditra ao amin’ny taona voalohany. Anisan’ny antoka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanofanana izany sampam-panofanana izany ahafana miditra eo amin’ny sehatry ny asa, iaraha-miasa amin’ny FPQ sy ny AMB.
Tao anatin’ny filaminana tanteraka sy fanajana ny Hamehana ara-pahasalamana no nanombohana ny fanadinana. Nandritra ny fitsidihana natao, dia nitso-drano ireo mpiadina ireo tomponandraikitra, notarihin’ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
Marina (Mpianatra asa).




