PolitikaSongadim-baovao
FAMPIASANA LAHARANA FIARAMANIDINA HOSOKA: Teratany indianina sy Malagasy iray karohina fatratra
Nanatanteraka valan-dresaka manokana tamin’ireo mpanao gazety ireo manam-pahefana isan-tsokajiny omaly, teny amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro, hanomezana fanazavana mazava mahakasika ny raharaha fiaramanidina dimy Boeing 777-200.
Vaovao niteraka resabe nanomboka ny faran’ny herinandro teo indray ny momba ireo voalaza fa fiaramanidina Boeing 777-200 miisa dimy lasa any Iran , ary nahazo « Certification d’Immatriculation provisoire » avy aty Madagasikara. Nitondra fanazavana momba izay ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro omaly, izay nitantara ny fizotrin’ity raharaha ity hatrany am-piandohana.
Nambarany fa nisy mpandraharaha nanana fikasana hiara-hiasa amin’ny firenena Malagasy hitrandraka ny zotra an’habakabaka iraisam-pirenena (Europe, Inde, Chine) ary hanolotra fiaramanidina miisa 5 Boeings 777-200. Nisy ny fitsirihana an’ireo fiaramanidina ireo tany Chine notanterahin’ny teknisianina an’I ACM, izay « procedure normale » (dingana arahana eo amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka). Nanao tatitra ny ACM fa CIP « Certification d’Immatriculation provisoire » no afaka omena ireo fiaramadinina ireo, izay nifarana tamin’ny 17 Aprily 2025, noho ny fanatsarana ara-teknika mila arahan’izy ireo any tany Kenya no nifanarahana. Taorian’io dia tsy nisy vaovao intsony tamin’ny tompon’ny tetikasa ary efa lany andro ny taratasy nomena azy ireo. Foana aorinan’izay ny fahazahoan-dalana nomena.
Voafitaka
Tamin’ny volana Jolay dia nahazo fampandrenesana ny Fanjakana malagasy hoe any Iran ireo fiaramanidina niala avy tany Cambodge niaraka tamin’ny taratasy hosoka, ary avy hatrany dia nametraka ny fitoriana. Marihina hatrany fa Kenya no nifanarahana. Nandeha ankitsi-po nanao ny dingana ny tomponandraikitra, ary voafitaka tanteraka tamin’ny fikasana ratsin’ireo mpandraharaha izay nanararaotra ny fitokisana nomena azy ireo. Noho izany dia napetraka ny fitoriana ireo mpandraharaha nanana fikasana ratsy sy namitaka ny fitokisana, eny amin’ny fitsarana noho ny fanohitohinana ny fiarovam-panjakana sy ny fampiasana hosoka tamin’ity raharaha ity.
Nangatahana ihany koa ny fanadihadiana iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny International Civil Aviation Organisation na ICAO, izay manam-pahefana manokana amin’ny raharaha fifamoivoizana an’habakabaka maneran-tany. Manamafy ny fanjakana Malagasy fa hiara-miasa amin’ireo manampahefana iraisam-pirenena amin’ny fanadihadiana rehetra ilaina, sady mitana ny andraikiny amin’ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny fahamendrehan’ny zotram-pitaterana an’habakabaka nasionaly.
Fangaraharana
Nanatanteraka valan-dresaka manokana tamin’ireo mpanao gazety ireo manam-pahefana isan-tsokajiny omaly, teny amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro, hanomezana fanazavana mazava mahakasika ny raharaha fiaramanidina dimy Boeing 777-200. Natao izany ho mariky ny fangaraharan’ny fitondram-panjakana sy hanomezana fanazavana amin’ny vahoaka malagasy ary koa ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Madagasikara. Anisan’ireo nanao tatitra tamin’ireo mpanao gazety ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro Valéry Ramonjavelo, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, ny Ministra Délégué misahana ny Zandarmaria Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara, ary ireo solontenan’ny Ministeran’ny Fitsarana, dia Andriamatoa Tonia Mpampanoa eo anivon’ny Fitsarana Ambony Antananarivo Razafindralambo Didier Alban sy Ramatoa Tonia Mpampanoa Ambony Rakotoniaina Narindra.
Nanamafy moa ireo tomponandraikitra ireto fa efa nisy ireo voasambotra tamin’ity raharaha ity, ary mbola misy ireo namoahana filazana fikarohana, ka isan’izany ireo olona roa, teratany Indianina iray sy Malagasy iray, izay samy mitonona ho mpandraharaha avokoa. Izy ireo no voalaza fa anisan’ny nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fanamorana ny fiaingan’ireo fiaramanidina ireo.
Ny Fanoratana.




