PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FAMPIASANA NY VAKSINY COVID-19 SY NY FEPETRA HORAISINA: Maka ny hevitry ny Akademian’ny mpitsabo ny Fanjakana

Nanapa-kevitra ny hitafa mivantana amin’ny Vahoaka ny Filoha Andry Rajoelina ny Sabotsy izao, amin’ny 8ora alina. Andrasana ny hiresahany betsaka mahakasika ny valanaretina Covid-19 eto amintsika, sy ny manodidina izany rehetra. Mifandraika amin’izay koa anefa, nandefa taratasy fakan-kevitra ho an’ny eo anivon’ny akademiam-pirenen’ny Mpitsabo eto Madagasikara ny Filoha, manoloana ny fampiasana ny Vaksiny Covid-19, sy ny fepetra tsara horaisina hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ireo Firenena mbola tsy afa-bela amin’ity valanaretina Covid-19 ity isika eto Madagasikara ankehitriny. Raha toa ka saika efa niverina nihiboka avokoa ireo Firenena maro ao Eoropa, Afrika, eny fa na ireo Nosy rahavavy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina aza, dia mbola tsy nandray fanapahan-kevitra ho amin’izany kosa ny Fitondram-panjakana malagasy. Nisafidy ny hanamafy ireo fepetra fiarovana kosa anefa isika, na izany aza. Noho izany indrindra no nandefasan’ny Filohan’ny Repoblika taratasy tany amin’ny Akademiam-pirenen’ny mpitsabo eto Madagasikara, mba hakana ny hevitr’izy ireo amin’ny fomba hitantana mahomby ny valanaretina, fa indrindra mahakasika ity Vaksiny Covid-19 izay mahabe resaka ankehitriny ity.

Nambaran’ny Filoha tao anatin’ny taratasy fa noraisin’ny Fitondram-panjakana ho lesona tsara amin’ny fitantanana ny Covid-19 ny paikady napetraka tamin’ny 2020. Araka izany, miezaka mitady vahaolana hatrany ny Fanjakana mba hiarovana amin’ny fomba mahomby ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka.

Nanatsahatra ny Vaksiny ny Firenena am-polony maro…

Miroborobo tanteraka ireo karazana vaksiny vokarina any ivelany amin’izao fotoana izao, ary isan’izany ny AstraZeneca. Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa manaramaso akaiky ny fampiasana izany any amin’ireo Firenena maro ny Fanjakana. Ny tranga hita anefa tato anatin’ny andro maromaro, dia Firenena maro ao Eoropa no nanatsahatra ny fampiasana vaksiny, isan’izany France, Espagne, Italie, Allemagne, Danemark, Norvège ary l’Island. « Ireny rehetra ireny no nahatonga ny Fanjakana hisafidy ny hiaro ny ain’ny malagfasy ka tsy nanafatra vaksiny aloha. Na izany aza, tsy mbola nanda tanteraka tsy hanafatra izany isika, noho ny fiheverana fa mety hanampy amin’ny fisorohana ny valanaretina izany », hoy ny fanazavana.

Ireo karazana tranga ireo no nakan’ny Fanjakana ny hevitry ny akadémiam-pirenen’ny mpitsabo eto madagasikara, ny amin’ireo izay fepetra fisorohana tsara raisina indrindra, ary koa, indrindra indrindra, mahakasika ny fampiasana ity vaksiny Covid-19 ity, ny mety ho voka-tsoa na ny voka-dratsin ‘ny fampiasana izany.

Samy miandry izay ho valin-tenin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny Fitsaboana eto an-toerana, noho izany, isika. Antenaina ny mety hiresahan’ny Filohan’ny Repoblika ny vokatr’ity, amin’ny fandaharana manokana izay hataony ny Sabotsy izao, ao amin’ny Fahitalavi-pirenena sy ny Radiom-pirenena, ankoatra ireo raharaha mafana rehetra eto amin’ny Firenena izay hiandrasana ny fanampim-panazavana avy amin’ny Filoha ihany koa.

Fermer