
PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAMPIASANA TARATASIM-BOLA TSY MISY ANTOKA: Nahazo fahafahana vonjimaika ny Minisitra teo aloha Vaonalaroy R
Fitoriana nataona orinasa tsy miankina iray noho ny fampiasana taratasim-bola tsy misy antoka no nahatonga ny fisamborana ny Minisitry ny Asatanana sy ny Kolontsaina teo aloha, Vaonalaroy Randrianarisoa omaly, ary nentina tao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana. Niakatra fampanoavana avy hatrany ny tenany avy eo, ary nahazo fahafahana vonjimaika taorian’ny fanadihadiana.
Nosamborina, ary nentina tao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana ny Minisitry ny Asatanana sy ny Kolontsaina, Vaonalaroy Randrianarisoa, omaly. Resaka taratasim-bola tsy misy antoka no maha voarohirohy azy.
Araka ny fanazavana, nahazo taratasy fitarainana ny teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava Antananarivo avy amin’ny orinasa tsy miankina iray mahakasika resaka taratasim-bola tsy misy antoka nataon’ity Minisitra teo aloha ity. Raha ny tatitra hatrany, ny 22 Febroary teo ny tenany no naka fanaka mitentina 23 tapitrisa ariary tao amin’ity orinasa ity, ary nanome “chèque” izy ho antoka. Rehefa narotsaka tany amin’ny banky izany dia namoaka taratasy ireto farany fa tsy ara-dalàna ilay taratasim-bola. Manoloana izany, nametraka fitoriana ilay orinasa, natao ny fikarohana sy fanadihadiana, ary omaly 17 Mey 2022 no voasambotra tao an-tranony Ramatoa Vaonalaroy Randrianarisoa. Ity farany izay efa nifampitadiavana nandritra ny fotoana maharitra. Omaly ihany izy dia efa niakatra fampanoavana, mahakasika ity raharaha mahavoasaringotra azy ity, ary nahazoany fahafahana vonjimaika.
Raharaha hafa
Ankoatra izay anefa, raharaha maro hafa ihany koa no mbola voalaza fa maha voasaringotra ity tomponandraiki-panjakana teo aloha ity. Isan’izany ny fisolokiana fiara, tsy fandoavana hofantrano, « Trafic d’influence » samihafa ka milaza hoe avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy milaza azy ho olona ambony, miampy fivadiam-pitokisana, araka ny angom-baovao.
Raha ny fanazavan’ilay olona nilaza fa voasoloky fiara, dia fifanarahana fampanofana no nataon’ny roa tonta. Tsy nadoa ny vola tokony ho naloany anefa ity Minisitra teo aloha ity, ka rehefa mitaky ny vola tokony ho azy ireo mpampanofa fiara dia voarirarira hatrany, ary tonga hatramin’ny fandrahonana mihitsy izany, araka ny fanazavana azo hatrany. Milaza azy ho mahafantatra olona ambony maro ihany koa izy, araka ny nambaran’ireo mpitory hatrany. Andrasana daholo, noho izany, ny tohin’ireo raharaha ireo, sy ny fitsarana ny raharaha fampiasana taratasim-bola tsy misy antoka.




