PolitikaSongadim-baovao

FAMPIATOANA FANDAHARANA: Natao hiantohana ny filaminam-bahoaka

Niteraka resabe, ary niniana nororitina nankany amin’ny adihevitra diso ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Minisitera miisa dimy, mampiato ny fandaharana misy adihevitra politika amin’ny Haino aman-jery rehetra eto Madagasikara, sy ny fampidirana antso an-tariby mivantana. Fanapahan-kevitra izay voamarin’ny didy aman-dalàna rehetra misy eto amintsika, fa tsy fanaparam-pahefana sy didy jadona velively, araka ny voizin’ny sasany ankehitriny.

Ny Fandaharana “Aoka Hazava” (Viva Radio), Anao ny fitenenana (Free Fm), Tambatra Miara-Manonja tena izy (Viva Radio/TV, Freefm, Alliance Fm,  Taratra Fm, Kolo TV, Kolo Fm), Miara-Manonja (Mbs, AZ, Soa Radio), Kapotandroka (IBC), Invité du Jour (Real TV), Ca me dit (RTA), Don-dresaka (TV Plus), Rivotra (RDJ), ireo no anisan’ny fandaharana ahitana adihevitra politika tsy maintsy naaton’ny Fanjakana mba hiantohana ny filaminam-bahoaka.

Fanamparam-pahefana ve? Didy Jadona ve? Fanapenam-bava ny mpanao gazety ve? Nitondra fanazavana mahakasika io fanapahan-kevitra io ny Mpitondra tenin’ny Governemanta ny Zoma teo, tao amin’ny Fahitalavi-pirenena. Nambarany fa  miaina ao anaty vanim-potoanan’ny Hamehana isika izao, anaty “situation d’exception”, izany hoe misy tranga manokana eto amin’ny firenena tsy maintsy andraisana fepetra manokana. Izany tranga manokana izany dia efa nofaritan’ny Lalàmpanorenantsika ao amin’ny andininy faha-61.

Ny zavatra misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia misy fahavalo iray, tsy hita maso, izay manohitohina ny fomba fiasan’ny fahefam-panjakana amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy noraisina ny fidirana amin’ny vanim-potoana manokana satria efa mandripaka sy mahafaty olona ilay fahavalo. Ny lalàmpanorenana rahateo no nanome fahefana ny Filohan’ny Repoblika amin’izany.

Ny lalàna 91-011

Etsy ankilany, misy ny lalàna 91 – 011 tamin’ny 18 Jolay 1991, izay milaza ireo fahefan’ny Filohan’ny Repoblika rehefa ao anatin’ny vanim-potoana manokana. Ireo fahefan’ny Filohan’ny Repoblika ireo izay nohamafisin’ny Lalàmpanorenana.

Rehefa vita ny fanambaran’ny Filoha, tahaka ny fomba fanao mahazatra hatramin’ny taon-dasa, dia mandray didim-pitondrana ny Praiminisitra mba hahafahana manatanteraka sy mampihatra ny zavatra rehetra izay nambaran’ny Filoha nandritra ny kabary nataony. Noho izany, nisy ilay Didim-pitondrana 10-477/2021 manova ny didim-pitondrana 10-001/2021 tamin’ny 6 Aprily 2021 nilaza ny fepetra ankapobeny noraisina mandritra ny fanalavana ilay Hamehana ara-pahasalamana. Ny Andininy faha-24 ao amin’io didim-pitondrana io dia milaza fa mba hiantohana ny firaisam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka, ny minisitera misahana ny Fitsarana, ny Minisitera misahana ny Atitany, ny Minisitera misahana ny  Filaminam-bahoaka, ny Minisitera misahana ny Serasera, ary ny Minisitera misahana ny Zandarimaria, dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hanatanterahana io fiarovana ny firaisam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka io, araka ny voalazan’ny andininy faha-17 sy faha-18 ao anatin’ny lalàna 91-011.

Tsara ho fantatra fa arak’io andininy faha-17 sy faha-18 ao anatin’ny lalàna 91-011 io, ny fanambarana ny Hamehana ara-pahasalamana dia manome fahefana feno ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny alalan’ny didy aman-dalàna raisin’ny Fahefana mpanatanteraka, hahafahana manao « couvre feu », mametra ny fivezivezen’ny olona na ny fiara ao anatina toerana na fotoana voafaritra. Eo koa ny fandravana ny fivoriana izay mety hiteraka fikorontanana . Ny andininy faha-18 izay nanipika mazava fa ny Filoha dia afaka mamindra amin’ny ampahany ny fahefany amin’ny Praiminisitra, ary ny Praiminisitra dia afaka mamindra amin’ny ampahany ny fahefany amin ‘ny Minisitra, izay no nahatonga ny Praiminisitra nanao ny didim-pitondrana 10-477 tamin’ny 19 Aprily. Ireo rehetra ireo no nahatonga ny fanapahan-kevitry ny Minisitra voakasika miisa dimy mba hiantohana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana.

Ady amin’ny valanaretina dia ny fandaharana no haato?

Ny zavatra hita anefa, misy olona mbola mikasa hamory vahoaka ihany amin’izao vanim-potoan’ny Hamehana ara-pahasalamana izao.  Tahaka izay niseho teny Ambohimanarina ny zoma lasa teo, amin’ny alalan’ny fitabatabana sy ny fitsiofana kiririoka ary miafara amin’ny famoriam-bahoaka. Ity farany izay manohitra ny lalàn’ny Hamehana ara-pahasalamana mihitsy. Ary izany dia avy amin’ny antsoantso amin’ny onjam-peo izay natao tamin’ny alalan’ny haino aman-jery ary miafara amin’ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka. Ireo no fanazavana nentin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta manoloana ireo milaza hoe valanaretina ve no misy dia fandaharana any anaty onjam-peo no ajanona?

Notsindriany fa na aiza na aiza teto ambonin’ny tany nandray fanapahan-kevitra miditra amin’ny Vanim-potoana manokana dia misy fiantraikany amin’ny fahafahana hatrany. Raha ny famaritana ny atao hoe “Etat d’urgence” no jerena dia mampihena ny fahalalahana amin’ny ankapobeny mihitsy, isan’izany ohatra ny fahalalahana mivezivezy, ny fihibohana. Hita manerana ny Firenena rehetra izany fa tsy fanaparam-pahefana ataon’ny mpitondra eto Madagasikara akory. Tsara tsindriana fa tsy ny fandaharan’ny mpanohitra ihany no najanona, fa ny rehetra mihitsy. Ary ohatra ihany ireo voalaza tao anatin’ny taratasy fampahafantarana fa izay fandaharana rehetra misy adihevitra politika dia ajanona avokoa.

Miato ny “Anao Ny Fitenenana” ao amin’ny FREE FM

Ho fanajana ny fepetra sy ny lamina avy amin’ny Fitondram-panjakana, ny fandaharana Anao Ny Fitenenana eo anivon’ny Onjam-peon’ny FREE FM dia miato mandritra ny vanim-potoan’ny Hamehana ara-pahasalamana.

Andininy faha-61 ao amin’ny Lalàmpanorenana

Andininy 61.- Raha tandindomin-doza ny Andrim-panjakan’ny Repoblika, ny fahaleovantenam-pirenena, ny firaisam-pirenena na ny maha-iray tsy anombinana ny Tanindrazana ka voatohintohina ny fizotra ara-dalànan’ny asan’ireo fahefam-panjakana dia azon’ny Filohan’ny Repoblika atao ny manambara ampahibemaso ny fisian’ny toe-javatra mampihotakotaka amin’ny faritra sasany na eo amin’ny Firenena manontolo, izany hoe ny fotoam-pahamaizana, ny fahalatsahan’ny Firenena an-katerena na ny fampiharana lalàna miaramila. Eo amin’ny Filankevitry ny Minisitra no andraisan’ny Filohan’ny Repoblika ny fanapahana amin’izany rehefa naka ny hevitry ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izy. Ny fanambarana ampahibemaso ny fisian’ny toe-javatra mampihotakotaka dia manome fahefana manokana ny Filohan’ny Repoblika ka lalàna fehizoro no mamaritra ny farafetrany sy ny fahelany. Raha vao nambara ampahibemaso fa misy ny toe-javatra mampihotakotaka dia azon’ny Filohan’ny Repoblika atao ny manao lalàna amin’ny alàlan’ny hitsivolana.

Fermer