PolitikaSongadim-baovao
FAMPIATOANA MPITSARA MIISA EFATRA: Fampiharana ny politika famaizana, mitohy ny fotoam-pitsarana manerana ny Nosy
Nanamafy ny tsy fihemorana amin’ny fampiharana ny politika famaizana eo anatrehan’ny fandikan-dalàna amina heloka bevava ny minisiteran’ny fitsarana. Ireo mpitsara ao amin’ny Fampanoavana izay minia mandika na tsy manaja ny fepetra voarakitra ao anatin’izany dia tsy maintsy handraisan’ny minisitera fepetra henjana…
Hentitra amin’ny fanarahana sy ny fanajana ny politika famaizana (politique penale) ny minisiteran’ny fitsarana. Anisan’izany ny fanaovana heloka bevava, toy ny fanolanana, vono olona, herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, ny fakàna an-keriny, ny resaka zava-mahadomelina, ary ny famarinana olona (traite des personnes). Eo anatrehan’izany, ireo mpitsara ao amin’ny Fampanoavana izay minia mandika na tsy manaja ny fepetra voarakitra ao anatin’ny politika famaizana dia tsy maintsy handraisan’ny minisitera fepetra henjana. Natao hiarovana ny vahoaka sy mba hisian’ny fandriam-pahalemana no anton’izany, raha ny fantatra. Etsy andanin’izany anefa, nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fitsarana, nandritra ny fanambarana nataony omaly hariva, teny Faravohitra, fa ny minisitera dia manaja ny fahaleovan-tenan’ny mpitsara mpamaka didy, ary ireo niharan’ny fampiatoana dia mpitsara ao amin’ny Fampanoavana avokoa, olona natao hanatanteraka baiko mikasika io politika famaizana io, ary nikirakira raharaha fanolanana, izay nisy tamin’ireo niharam-boina no ankizivavikely 08 taona. Teo koa ireo nikirakira ny raharaha mikasika fanafihana mitam-piadiana miharo vono olona. Fitarainana izay niainga avy tamina fitarainan’olon-tsotra sy ny fitsirihana nataona birao voatondron’ny lalàna hanao fanadihadiana no nandraisan’ny Minisitry ny fitsarana izao fampiatoana mpitsara 04 eo anivon’ny Fampanoavana eny amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo, izao. Tsy nisy fanononana ny anarana na ny antsipirihan’ny raharaha mikasika ireo mpitsara 04 naato ireo nandritra io fanambaran’ny minisitera omaly hariva io, mba ho fanajana ny zony handalo filankevi-pifehezana.
“Tsy hisy raharaham-pitsarana mandeha”
Raha ny fantatra, dia ny faramparan’ny volana oktobra teo no nandraisan’ny minisitera io fepetra nampiatoana mpitsara efatra io. Tetsy an-kilan’izany, nilaza ny sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Filohany, Andriantsihorisoa Mbitanarivo, fa nisy ny fitoriana fidirana an-tsehatra ho fanohanana ny fangatahana fanafoanana sy fampiatoana ireo fanapahana mampiato amin’ny asany no manapaka ny karaman’ireo mpitsara voakasika ireo. Nisy ny fivoriambe tsy ara-potoana notanterahin’ny SMM, omaly tetsy Anosy, izay nanapahan’izy ireo ny fangatahana amin’ny Minisitry ny fitsarana hisintona ny fanapahana noraisiny, ary tsy handray fepetra tahak’izany intsony mandritra ny fe-potoam-piasana maha minisitra azy. Tapak’izy ireo tamin’io, fa hanatanteraka fitokonana manomboka anio ny SMM, ary hanajanona ny asa manerana ireo fitsarana eto Madagasikara. Nambaran’izy ireo, fa tsy tokony afangaro amin’ny kolikoly ny fahefana nomen’ny lalàna ny Fampanoavana handinika ny heloka tokony henjehina, ary ny fijerena ny vesatra tena misy. Nomarihan’ny SMM moa, fa tsy ara-dalàna ary io fampiatoana arak’asa io. Mihenjan-droa araka izany, ny tady eo amin’ny minisitera sy ny SMM.
Nangonin’i Stan R.



