
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAMPIDIRANA AM-PONJA ILAY ZANAKA MPITANDRINA: Manaraka ny lalàna, tsy misy resaka politika !
Naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpamily ny fiara tsy mataho-dalana marika “Fortuner” miloko volon-davenina, izay nifandona tamina kodiaran-droa marika “BWS”, tranga niseho ny marain’ny 01 janoary 2025, teny amin’ny lalana Tsarasaotra mihazo an’Ivato. Taorian’ny nanolorana ny raharaha teo anivon’ny Fampanoavana, omaly, alakamisy 02 Janoary, dia fantatra, fa naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy ity mpamily voalaza fa zanaka Mpitandrina tompon’andraikitra iray eo anivon’ny FFKM ity. Raha hiverenana ny tranga niseho, ny alarobia 01 Janoary teo io, tokony ho tamin’ny 09 ora sy 20 minitra maraina, teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra, dia nisy ny fifandonana mafy teo amin’ireo fiara tsy mataho-dalana sy kodiaran-droa voalaza. Maty tsy tra-drano teo noho eo ny iray tamin’ireo mpitaingina “moto”, raha mbola nentina teny amin’ny hopitaly haingana ny iray, izay fantatra fa naratra mafy tao anatin’io lozam-pifamoivoizana io. Samy nahitana fahasimbana goavana moa na ny fiara na ny kodiaran-droa tamin’izany. Notazonin’ny Mpitandro filaminana avy hatrany moa ilay mpamily nanaovana famotorana. Tsy mbola fantatra kosa, hatreto, izay tena zava-nisy marina nahatonga ny loza, saingy efa eo am-panaovana fanadihadiana ny Mpitandro filaminana. Ny talata 28 Janoary ho avy izao moa no fantatra, fa fotoam-pitsarana ity raharaha ity.
Ambony ny aina
Vantany vao niseho moa ity tranga ity dia nanao sesilany ny fanehoan-kevitra tao amin’ny tambazotran-tserasera, noho ny maha zanaky ny Filohan’ny FJKM ilay mpamily ny fiara niharan-doza ka nahafaty ireo olona roa. Zary lasa mifangaro amin’ny lafiny politika ilay raharaha noho ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filohan’ny FJKM andro vitsy lasa izay. Izany indrindra no nahatonga an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, mpamakafaka politika nilaza fa na inona na inona firehan-kevitra politika ananan’ny tsirairay dia nisy aina nafoy aloha tao. “Ary tsy fomba ny miady amam-paty ka olona efa maty indray no mbola enjehina satria manana firehana politika akaiky an’ilay raiamandreny mpitandrina mitarika ny FJKM izay tompon’ny fiara nandona ianao. Ary lasa mampalahelo anao ilay zanany izay nitondra ilay fiara ka tsy tianao ampiharina aminy ny lalàna fa hoe iretsy mpandeha moto no diso. Dia lasa manameloka ireo olona nitondra moto voadona sy maty tamin’ny andro taom-baovao indray ianao”.
Notsindriany fa ambony ny aina. Ary izany, hoy izy, no nahatonga ny mpamolavola lalàna (législateurs) nandrafitra ny fehezan-dalàna famaizana “code penal” nametraka hoe na tsy niniana aza raha vao mandatsaka ain’olona dia voasazy mifonja avy hatrany (homicide involontaire). Satria nametraka ny mpanao lalàna fa na tsy niniana aza ka sendra ianao no antony mahatonga famoizana ain’olona dia tsy maintsy misy sazy mihatra aminao.
« Dia tokony ajanona eo ny adihevitra fa ao anatin’ilay fankahalana mpitondra ataona andian’olona sasantsasany dia adino eo ilay maha-lahitokana ny aina…Ary mbola mamerina foana hoe mila fitandremana be ny fampifangaroana ny fivavahana sy ny politika fa jereo izao iainantsika izao ny vokany, vao manomboka ny taona dia adinontsika hatramin’ny soatoavina malagasy sy ny voalazan’ny didy folo nampianarina antsika mpino kristiana fa lasa fifampiandaniana mampisara-bazana no mahazo vahana” ”, hoy ny fanazavany.
Ny Fanoratana.




