PolitikaSongadim-baovao

FAMPIELEZAN-KEVITRA ALOHAN’NY FOTOANA: Kandidà telolahy no tena manao be fiavy eto an-drenivohitra

Tsy misy lalàna mifehy azy ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana ho antsika eto Madagasikara manokana. Midika izany fa mitovy amin’ny vanim-potoana tsotra ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana. Mbola voarara ny famoriam-bahoaka. Mbola voarara koa ny miteny hoe “Fidio aho”.

Raha ny zava-misy ankehitriny eto an-drenivohitra anefa no jerena dia hita ho tena mihazakazaka mafy amin’ny fidinana ifotony ny kandidà sasantsasany, toa an-ndry Tojo Ravalomanana,  Tahina Razafinjoelina sy ry Gascar Fenosoa. Ireo kandidà hafa mbola tsy dia haharenesam-peo loatra, afatsy ny Kandidà Ndriana Razanamasy, izay namory mpanao gazety ny herinandro lasa teo, nizara ny fomba fijeriny sy ny vina tiany hampandrosoana ny tanàna. Ny kandidà-n’ny IRMAR, Ramatoa Harilala Ramanantsoa dia mbola nisafidy ny hangina taorian’ny tsy nisahanany ny andraikitra maha PDS azy intsony, herinandro vitsy lasa izay. Ingahy Monja Roindefo sy Joseph Martin Randriamampionona no tsy mbola hita taratra mihitsy hatreto.

Eo anatrehan’ny fihazakazahan’ireo kandidà sasany amin’ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana dia nanambaran’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), tamin’ny alalan’ny Filohany fa hanara-maro akaiky ny fihetsik’ireo kandidà, sao misy ny fihoaram-pefy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer