Songadim-baovao
Fampiharana fepetra amin’ny RN-1 : Iharan’ny sazy mafy ireo tratra manao fitaterana an-tsokosoko
Tafiditra ao anatin’ny « Hamehana ara-pahasalamana » isika ary hentitra tanteraka ny mpitandro filaminana amin’ny fampanajana izany. Ankoatra ny fanaraha-maso amin’ny lalam-pirenena, dia tsy andeferana mihitsy ireo manao fitaterana olona an-tsokosoko, na fiara na môtô. Iharan’ny sazy mafy ireo tratra manao izany. Fanadihadiana…

Nanao hetsika fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fepetra sakana manoloana ny « Hamehana ara-pahasalamana », ny Zandariamaria eto Analamanga sy ny Faritra Itasy, nanomboka ny 16 aprily no ho mankaty. Ankoatra ny eny amin’ny lalam-pirenena, notsirihina manokana ireo lalankely hanaovan’ireo bisikileta sy môtô fitaterana olona an-tsokosoko. Nohazavain’ny Kapiteny Manampy Chantol kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Arivonimamo, teny amin’ny sakana amin’ny RN1, Bemasoandro, Kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika. CRCO Itasy fa « mizara roa miavaka tsara ny antom-pisian’ny sakana, dia ny fanajana ny Hamehana ara-pahasalamana sy ireo fepetra napetraka momba ny fikatonan’ny Faritra Analamanga ». Nasongadiny nandritra ny fanazavana fa misy ny fiara mahazo mandalo eto, dia ireo fiara mitondra mpiasam-panjakana avy ao Arivonimamo hiakatra ho any Antananarivo, ary manana karatra mazava tsara. Ireo fiara mpitatitra sakafo na marary avy any Arivonimamo ho any Antananarivo dia mahazo mandeha, saingy mampiseho mazava tsara ny taratasy avy any amin’ny dokotera, ohatra, raha tena marary tokoa izy ka entina mamonjy hopitaly na dokotera ho any an-drenivohitra. Iharan’ny sazy mafy…

Ho an’ny mpitondra môtô tsy mandalo sakana, kanefa mitatitra olona, mitsoaka ny barazy , mandeha manao lalana an-tsokosoko mandeha any amin’ny sisiny, dia alaina avy hatrany ny fanalahidin’ny môtô. Ho an’ny fiara dia ampidirina am-balam-pamonjana avy hatrany ao anatin’ny 10 andro ary mandoa lamandy. Ho an’ireo fiara tsy manana anton-dia mazava tsara, dia mahatratra 15 isan’andro no voatery tsy maintsy averina amin’ireo niaingany, raha ny tatitra. Ho an’ny omaly, fiara miisa telo no tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena, tokony ho tamin’ny 10 ora teo ho eo, nitatitra olona an-tsokosoko teo anelanelan’Imerintsiatosika sy ny sakana eo Bemasoandro, amin’ny lalam-pirenena voalohany iny, PK37+100. Ireo fiara ireo dia avy any Imerintsiatosika hihazo an’Arivonimamo. Mazava, araka izany, fa dia notazomina am-balam-pamonjana mandritra ny 10 andro avokoa ireo fiara telo nanao fandikan-dalàna ireo, ary sintomina ny fahazoan-dalàn’ny mpamily, ankoatra ny fandoavana lamandy…
Averina avy hatrany

Raha ny hita teny amin’ny sakana amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN-1), dia averina avy hatrany ireo fiara mandinika tsy manana anton-dia mazava. Ho an’ireo olona mandeha tongotra, mandalo eo amin’ny sakana, dia tsy maintsy mampiseho fanamarinam-ponenana sy ny karapanondro izy ireo, ary anontaniana mazava ny anton-dia, raha hiakatra ho any Antananarivo. Hajaina avokoa ny fepetra sakana ao anatin’ny fanatanterahana ny fisavana. Raha toa ka tsy misy anton-dia mazava tsara dia averina any amin’ny niaingany ireny olona ireny.
Ho an’ireo mpitondra môtô kosa indray, tsy andeferana koa izy ireo, raha vao tsy manana anton-dia mazava tsara. Raha ny antontanisa, manodidina ny 50 isan’andro any ireo olona voatery tsy maintsy averina, noho ny tsy fananana anton-dia mazava. Ho an’ny fiara kosa indray, dia manodidina ny 15 isan’andro eo ireo fiara voatery tsy maintsy miverina, noho ny tsy fananana anton-dia mazava tsara. Ho an’ny môtô sy ny bisikileta dia manodidina ny 60 any ho any isan’andro ireo voatery tsy maintsy averina noho ny tsy fananana anton-dia mazava tsara.




