Songadim-baovaoToekarena
FAMPIHODINANA NY ORINASA «BASE TOLIARA» : Hampiditra 5 miliara dolara ho an’ny Fanjakana malagasy
Manodidina ny 700 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola entin’ny fitrandrahana fasimainty tanterahan’ny orinasa «Base Toliara» any amin’iny Faritra Atsimo Andrefana iny. Goavana izany ary hahafahana mitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Harena An-kibon’ny tany Rakotomalala Herindrainy Olivier. Teo anelanelan’ny taona 2008 hatramin’ny 2012 no nisy farany fampiasam-bola lehibe toy izany teto amintsika, tamin’ny alalan’ny orinasa Ambatovy. Rehefa izany, tombony maro no hositrahana ao anatin’ny fampihodinana indray ny Base Toliara.
Raha tsiahiviny moa, tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra natao tamin’ny alarobia lasa teo ny fanalana ny fampihatoana io tetikasa fahafaha-mitrandraka fasimainty any Toliara io rehefa nahato nandritra ny 5 taona. Teo anelanelan’izay dia nisy hatrany ny dinika niarahan’ny Fitondram-panjakana sy ny orinasa mba hamahana ny olana sy ireo fitarainana rehetra, ary nijerena ny tombontsoan’ny roa tonta ao anatin’ny tetikasa. Tsy natao ambanin-javatra ao anatin’izany ny fijerena ny tombontsoa manokan’ireo mponina eny ifotony. Nanamafy ny Minisitra omaly fa teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika mivantana no nanatanterahana ireo fifampidinihana ireo. Nidera manokana izay paikady napetraky ny filoha izay ny Minisitra satria nanao laharam-pahamehana hatrany ny tombontsoan’ny firenena izy.
Tao anatin’izany, nisy ny famaritana modely ekonomika mifandraika amin’ny androm-piainan’io tetikasan’ny Base Toliara io ka tamin’izany no namoahana ny vola mety ho azon’ny tetikasa mandritra ny fitrandrahana sy ny vola hositrahan’ny Fanjakana sy ny vahoaka malagasy. “Voalohany eo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy ihany koa, ao anatin’ny tetikasa goavana, ny fisian’izany hoe vao hiainga ny tetikasa dia efa fantatra sahady ny mety ho endriky ny fizotrany, ary tsy mbola nisy toy izany hatramin’izay”, hoy ny Minisitra. Fantatra, araka izany, hitondra hatramin’ny 5 miliara dolara ho an’ny Fanjakana io tetikasa fitrandrahana fasimainty any toliara io. Tsy natao ambanin-javatra ny fijerena manokana ireo fepetra rehetra ara-tontolo iainana, ara-tsosialy sy ny ara-toekarena. Eo amin’ny lafiny tetikasa ara-tsosialy sy ny fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana tetikasa goavana, ohatra, dia mitetina 80 tapitrisa dolara ny vola azo amin’izany. Eo amin’ny fampiharana ny RSE eny ifotony indray dia 4 tapitrisa dolara isan-taona ary misy fisondrotany 2% isan-taona ny vola ampiasaina. “Tena zava-dehibe ho an’ny firenena no modely voalohany ho antsika io tetikasa io. Ka mangataka antsika rehetra mba hampandroso hatram farany izany tetikasa izany”, hoy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany.
Tsara ny manamarika fa mbola misy ny fandaminana ny pitsopitsony rehetra mialoha ny tena hirosoana amin’ny tetikasa indray. Maharitra 14 volana eo io fanomanana io. Mandritra ny 38 taona kosa no voafaritra fa hanatanterahan’ny Base Toliara ny asa fitrandrahana fasimainty ao Toliara.
Sarobidy Sidonie.



