Songadim-baovaoToekarena
FAMPIHODINANA TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA ETO ANTANANARIVO: Nanainga tany Toamasina omaly ireo fiarabe miisa 8 mitatitra fitaovana
Raha toa ka ny talata lasa teo no novinavinaina fa hialan’ny “convoi exceptionnel” (andiana fiara vaventy) any Toamasina hihazo an’Antananarivo, dia omaly maraina vao tena tafiainga ireo fiarabe mitatitra fitaovana vaventy, entina hampihodinana ny tobim-pamokarana herinaratra hapetraka ao Ambohimanambola-Antananarivo. Araka ny fanazavana, ny fampahatomombanana ireo pitsopitsony ara-teknika no antony nampihemotra ny fotoana tokony niaingana voafaritra tany aloha. Io tobim-pamokarana hapetraka ao Ambohimanambola io, raha tsiahivina, dia natao hamokatra herinaratra 105MW, hamaliana ny filàna herinaratra eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Natoby nandritra ny volana maromaro tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo milina sy fitaovana entina hampihodinana io toby io satria nambaran’ireo tompon’andraikitra fa tsy hahazaka ny vesatr’ireo fitaovana ireo tetezana eny amin’iny lalam-pirenena faharoa (RN2) iny. Rehefa tontosa io dingan’ny fanamafisana tetezana miisa 13 io dia izao hirosoana ankehitriny izao ny fitaterana ireo fitaovana.
Araka izany, fiara lehibe miisa 8 (camions semi-remorques sy porte-char) no mitatitra ireo entana ireo. «Colis» miisa 14 no tanterina mandritra izany, ahitana fitaovana toy ny «engines oils sump» miisa 5, “engines fixing rails”miisa 8, ary “bloc moteur” milanja 74 Taonina. Tsara ny manamarika fa mbola andiany voalohany ihany io “convoi exeptionnel” niainga omaly tany Toamasina io.
Raha ny tetiandro nampahafantarin’ireo tompon’andraikitra moa dia maharitra 3 andro ny fampiakarana ireo fitaovana ireo eto Antananarivo. Ho an’ny omaly dia efa nandalo tao Brickaville ireo andiana fiara. Miato ny dia amin’ny alina ary manainga indray ny maraina. Hanenjika hatrao Moramanga kosa ireo andiana fiara ireo anio, ary ho tonga eto Antananarivo rahampitso sabotsy.
S.S




