PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FAMPIROBOROBOANA NY FANDRAHARAHANA : Mihaino sy manohana ireo tanora mpandraharaha ny Filoha
Nihaona tamin'ireo tanora malagasy mpandraharaha, mpitantana orinasa kely sy salantsalany ary ireo orinasa vao misondrotra tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny Filoha tao anatin'ny "Malagasy Youth Business Meeting" izay nokarakarain'ny Fihariana. Fotoana izay nanolorana ihany koa ireo fanomezana manokana avy amin'ny Filoha Andry Rajoelina ho an'izy 9 mianadahy nanao ny famaranana ny 3,2,1, Pitch! by Fihariana, izay natao teny amin’ny CCI Ivato.
Ataon’ny fiarahamonina ambanin-javatra matetika ny hevitry ny Tanora sy ny tetikasa entiny. Tsy vitsy ireo tanora no manana vina sy tetikasa tsara azo ampandrosoana ny firenena, saingy tsy mahita lalam-bola azo anatanterahana izany. Maro koa ireo tsy manana fitaovana, ary misedra olana amin’ny lafiny ara-taratasy. Noho ireo antony ireo indrindra, hoy ny Filohan’ny Repoblika, no nisian’ny fandaharanasa “Fihariana”, izay nametrahana tetibola 40 tapitrisa Euro hanampiana ny tanora misehatra amin’ny fandraharahana.
Omaly, nisafidy manokana ny hanome sehatra ireo tanora mpandraharaha ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tao anatin’ny « Malagasy Youth Business Meeting », natao teny Iavoloha, izay nokarakarain’ny Fandaharanasa “Fihariana”. Fotoana izay nihaonana sy nifanakalozan’ny Filoha tamin’izy ireo. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany izy 9 mianadahy voafantina tamin’ny famaranana ny « 3,2,1 pitch by Fihariana » sy ireo tanora mpandraharaha manodidina ny 40 misongadina eo amin’ny seha-pihariana samihafa toy ny fambolena sy fiompiana, ny fanodinana vokatra isan-karazany, ny fiahiana ny tontolo iainana, ny haitao ara-kajy mirindra, sy ny sisa.
Vonona ny Fanjakana
Nihaino ireto tanora ireto ny Filoha Andry Rajoelina ary nifampizara tamin’izy ireo ny traikefa ananany sy ny lalana nizorany teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Noderainy manokana ny fahavononana nasehon’ireto tanora ireto hitondra ainga vao eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. « Mahavelom-panantenana sy fahatokisana amin’ny hoavin’ny indostria sy ny fandraharahana eto Madagasikara ny finiavana hasehonareo ankehitriny » hoy ny Filoha. Ankoatra ny fandaharanasa Fihariana izay efa manome fanohanana ireo tanora mpandraharaha maro dia nanambara ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina fa vonona tanteraka ny Fitondram-panjakana izay tarihiny fa hifanome tanana amin’ireo tanora, hampiroborobo ny seha-piharian’izy ireo.
Fampitaovana sy tohana ara-bola
Notontosaina omaly ihany koa ny fanolorana ireo fanomezana manokana avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina ho an’izy 9 mianadahy nanao ny famaranana ny 3,2,1, Pitch! by Fihariana, izay natao teny amin’ny CCI Ivato. Araka izany, nahazo fampitaovana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika ireo tanora mpandraharaha nahazo ny telo voalohany. Fitaovana izay hahafahan’izy ireo manitatra ny asa fiharian’izy ireo. Tetsy ankilany, nahazo 10 Tapitrisa Ariary avy kosa ireo 6 mianadahy nandray anjara tamin’ny famaranana ny fifaninanana. Isan’ireo nisitraka io 10 Tapitrisa Ariary io Rakotoarisoa Aina Vololona, izay namorona ny orinasa F&A Fashion, misehatra amin’ny famokarana akanjo vita malagasy, amin’ny kalitao tsara kanefa amin’ny vidiny mirary. Nambarany fa isan’ny nanosika azy nandray anjara tamin’ny fifaninanana ny faniriany hanitatra ny asa fihariany. Nosafidiany manokana hividianana milina sy akora hanitarana ny orinasa, noho izany, io 10 Tapitrisa Ariary azony io.




