PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FAMPIROBOROBOANA NY FANDRAHARAHAN’NY TANORA: Tanora ampolony nisitraka tany 1ha avy, ombivavy be ronono, trano, fiofanana, fitaovana samihafa

Nitohy tao amin’ny kaominin’Andranomanelatra, tao amin’ny fokontanin’Anosimboahangy ny fanatanterahana ny tetikasa « Titre vert », fizarana tany sy fitaovana ho an’ireo tanora misitraka ny tan-tsoroky ny Fanjakana hihary eo amin’ny tontolon’ny fiompiana sy ny fambolena. « Titre vert » na bokin-tany maitso miisa 59 no nozarain’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tao amin’ity fokontany ity, ny sabotsy lasa teo.

Vahaolana entin’ny Fitondram-panjakana malagasy hamahana ny olan’ny tsy fananan’asa eo amin’ny tanora ny tetikasa Titre Vert. Hampirisihana ireo tanora ho lasa mpandraharaha matihanina, hisehatra amin’ ny famokarana sy ny fanodinana ny vokatra ary ny famarotana izany. Miisa 133 ireo tanora hisitraka ny titre vert ao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Ny sabotsy 11 desambra 2021 teo , tanora miisa 59 no nozarain’ny  Filoham-pirenena Andry Rajoelina bokin-tany ho ana tany mirefy 1Ha avy, tao amin’ny fokontanin’Anosimboahangy, kaominina Andranomanelatra.

Trano fonenana sy valan’omby miisa 17 kosa no efa vita tanteraka ao amin’ny fokontany Anosimboahangy, ary efa nanomezan’ny Filoham-pirenena fanalahidy ho an’ireo tanora misitraka izany. Ankoatra ireo tany sy trano dia nahazo ombivavy be ronono roa avy izy ireo ary efa misy ny forage napetraka hitaritana ny rano ao an-toerana. Fifanarahana mandritra ny dimy taona amin’ny tetikasa Fihariana no tanterahan’ireo tanora ao anatin’ny fikambanana « Jeunes Entrepreneurs moderne » (JEM). Ao anatin’io fe-potoana io no hamerenan’ireo tanora ny volan’ny banky nindramina hanaovana ny tetikasa. Vita io dimy taona io dia azon’ireo tanora tanteraka ireo fotodrafitrasa naorina ireo.

Olan’ny tany ao Antsoatany

Nandritra ity fihaonana ity, nanararaotra nitaraina teo anatrehan’ny filoha ireo tanora ao anatin’ny fikambanana JEM mikasika an’ity tetikasa ity. Isan’izany ny tsy fahatomombanana kely nisy teo amin’ny fanorenana an’ireo fotodrafitrasa toy ny trano sy ny valan’omby izay tokony hifefy. Olana notanisain’izy ireo, ohatra, ny tsy mbola fanombohan’ny tetikasa fanorenana fotodrafitram-pambolena sy fiompiana ao Antsoantany noho ny fibodoan’olona ny tany tokony hanatanterahana an’izany. Tokony hojerena koa ny fomba famerenana ny volan’ny banky ahafahan’ireo tanora mihary amin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Nangataka fanampiana amin’ny filoha mba hanaraha-maso akaiky ny fifanarahana koa izy ireo. Teo anatrehan’izany, nanome baiko hentitra ho an’ny tompon’andraikitra isan-tokony ny Filoha Andry Rajoelina mba hamaha haingana ny olana mikasika ny tany ao Antsoantany izay nampitaraina ireo tanora mpandraharaha. Nomena telo volana ireo tompon’andraikitra ireo hamaha izany mba hahafahana mametraka an’ireo fotodrafitrasa.

Tsara ho fantatra fa tokony hamokatra ronono hatramin’ny 30 litatra isan’andro ireo omby ireo, izay hamidy amin’ny orinasa Socolait amin’ny vidiny 1500 Ariary, araka ny toromarika nomen’ny Filoha. Nitsidika ny vala fiompiana omby lehibe Armor, misy ireo omby vavy be ronono, Normande sy  Montbeliarde ihany koa ny Filoha sy Ramatoa vadiny.

Fermer