PolitikaSongadim-baovao

FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA- FAMBOLENA-FIZAHANTANY….: Hita soritra ny lalam-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Slovénie

Manatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny filohan’i Slovénie, Nataša Pirc Musar. Maharitra roa andro izany, izay nanomboka omaly sy anio dia anio 4 jona. Ny alin’ny alatsinainy 2 jona teo izy no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato.  Ity no fitsidihana ara-panjakana voalohany ataona Filoham-pirenena sloveniana eto Madagasikara. Omaly no ivon’ity fitsidihana ara-panjakana ity. Noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha i Nataša Pirc Musar, omaly maraina teo. Taorian’izay, nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha roa tonta. Naharitra ora iray izany fihaonana izany. Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny finamanana eo amin’ny Firenena roa tonta no tena votoantin’ny resaka. Manamarika ny finiavan’ny firenena roa tonta anamafy ny firahalahiana, ny fiaraha-miasa, sy ny fiaraha-miasa ara-stratejika rahateo ity fitsidihana ara-panjakana ity. Araka ny fanazavan’ny Filoha Andry Rajoelina, dia nifantoka tamina teboka telo lehibe ny resaka nifanaovany tamin’ny Filoha Nataša Pirc Musar. Ny voalohany, dia ny fampandrosoana maharitra, ary lafiny lehibe amin’izany ny famokarana angovo azo havaozina. Ny faharoa, dia ny fanamafisana ny maha olona sy ny ady amin’ny tsy fitoviana saranga. Tafiditra  anatin’ny Andry telon’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Notsindrian’ny Filoha Malagasy tao anatin’izany, fa zava-dehibe ho azy ny fanabeazana, sy ny fahavitan-tenan’ny vehivavy, izay andrin’ny ankohonana. Isan’izany koa ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, izay isan’ny enti-miady amin’ny fahantrana.

Vonona i Slovénie hanamafy ny fifandraisana…

Notanisain’ny Filoha Malagasy tamin’izany ny “transformation agricole”, ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny “transformation energetique”, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahavitan-tenan’ny vehivavy, ny fampandrosoana maharitra, ny fahasalamana, sy ny fanabeazana. Nankasitraka ny filoha Rajoelina moa ny Filoha Sloveniana tamin’ny fandraisana azy sy ny resaka nifanaovan’izy ireo izay tao anatin’ny fahatsoram-po tanteraka.  Nambarany fa vonona i Slovenie anamafy ny fifandraisany amin’ i Madagasikara sy ametraka fiaraha-miasa mahatoky sy maharitra ary amin’ny lafiny maro. Nolazainy rahateo fa maro ireo sehatra ahafahan’ireo manapahaizana manokana Sloveniana amin’ny tontolon’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fampiasana ireo angovo maharitra, sy ny fitantanana ara-drariny sy maharitra ny rano. Amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo, dia nomarihin’i Nataša Pirc Musar fa i Slovenie dia manohana ny tsangan-kevitra hoe tokony hohenoina ny feon’ireo firenena avy amin’ny ilabolantany Atsimo, ary manohana ny tokony hisiana toerana iray ho an’i Afrika ao amin’ireo mpikambana maharitry ny Filan-kevitry ny fandriam-pahalemana na « Conseil de Securite » an’ny ONU.

Ainga vao ho an’ny fiarahamiasa…

Ny teboka fahatelo, dia ny fanomezana aingavao ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, izay homarihina ny taona 2026, ny faha 20 taonan’izany. Ho setrin’izany fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny firahalahiana eo amin’i Madagasikara sy Slovenie ity, nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa na “Memorandum d’entente sur les consultations politiques régulières” eo amin’ny firenena roa tonta, tao amin’ny « Salle des Ambassadeurs » an’ny Lapan’Iavoloha. Tamin’ny alalan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny masoivoho sy iraka manokan’ny Praiminisitra lefitra sy minisitry ny Raharaham-bahiny sy eoropeanina an’i Slovénie ho an’i Afrika, Franc But, izany fifanaovan-tsonia izany, ary natrehin’ny Filoha Andry Rajoelina, sy ny Filoha Nataša Pirc Musar.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer