Fanadihadiana ManokanaToekarena

FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA – SADC: Laharam-pahamehana ny fanavaozana ny famokarana angovo

Iankinan’ny fampiroboroboana ny indostria ny angovo. Raha ny zava-misy eto Madagasikara anefa dia mbola lafo ny saram-pamokarana angovo satria ny menaka mavesatra no mbola miodina amin’ny famokarana ny ampahany betsaka amin’ny herinaratra. Fanampin’izany, tsy mifandanja ny saran’ny famokarana sy ny vidin’ny herinaratra varotana amin’ny mpanjifa. Ho fanatrarana ny tanjon’ny fampiroboroboana ny indostria, araka izany, dia mila hitodihana ny fanavaozana amin’ny famokarana angovo. Vahaolana akaiky ny fanomezan-tsehatra ny angovo azo havaozina.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny Ivandry, ny andiany fahavalo amin’ny hetsika “herinandron’ny fampivoboroboana ny indostria ho an’ny SADC” (SIW 2025), tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andiany faha-45 amin’ny fihaonana an-tampon’ny SADC (Vondrona ho Fampiroborobona ny Faritra Atsimon’i Afrika) hotanterahana eto Madagasikara amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Lohahevitra hasongadina ny hoe: “Ny fampiroboroboana ny indostria, sy ny fanavaozana ary ny fitsimbadihana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina no ho hery fanoitry ny SADC matanjaka”. Mandritra ny herinandron’ny hetsika, hifarana amin’ny zoma 01 aogositra ho avy izao, dia maherin’ny 500 ireo mpizaika avy eto Madagasikara sy avy amin’ny firenena miisa 24 manatrika io fotoan-dehibe io. Miisa 48 ihany koa ireo tranoheva hanaovana fampirantiana eny amin’ny Novotel Ivandry ka anisan’ny mandray anjara amin’izany ireo firenena samihafa mandrafitra ny SADC sy firenena hafa ivelan’ny vondrona. Anisan’ireo sehatra havoitra ao ny mahakasika ny asam-pandraharahana toy ny fandraharahana ara-bola, ny fiantohana, ny fanodinana sakafo, ny teknolojia sy ny maro hafa. Nohazavain’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra David Ralambofiringa fa hahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa ny mahakasika ny SADC no tanjona amin’ny fisian’ireo fampirantiana ireo. Mahafantatra ireo tombontsoa tokony hositrahantsika ao anatin’izany SADC izany amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara. Ary indrindra mahafantatra bebe kokoa hatrany ny lalan-tsaina sy ny vina ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana mifanaraka amin’ny fampiroboroboana ny indostria.

Tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Amin’ny maha Filoha handray ny fitantanana ny SADC an’Atoa Andry Rajoelina moa dia ny tenany no nitarika ny lanonam-panokafana ny SIW 2025 omaly. Nambarany tao anatin’ny lahateniny fa mifanindran-dalana indrindra amin’ny zava-misy sy ny fanamby ato amin’ny faritra misy antsika io lohahevitry ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria ho an’ny SADC io, dia ny fametrahana ny aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika ho afaka mifandray sy mifaninana. Tokony hametraka fanamby iombonana ny toekarentsika mba hoentina mamaly ny filàn’ny vahoaka. Nohamafisiny fa tsy misy fampandrosoana ara-toekarena raha tsy misy famoronana asa, ary tsy tanteraka ny famoronan’asa raha tsy misy fampiroboroboana ny indostria. Ity farany izay miankina amin’ny famokarana angovo azo antoka sy mirary.
Araka izany, nandritra io fotoana omaly io dia nanao fifampizarana mahakasika ny dingana efa nirosoan’i Madagasikara eo amin’io sehatry ny fampiroboroboana ny indostria io ny Filohampirenena. Voalohany amin’izany ny fampidirana ny fampiroboroboana ny indostria ho isan’ny andry telo mandrafitra ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Tamin’ny alalan’ny tetikasa ODOF, ohatra, dia nahafahana nametraka orinasa madinika sy salantsalany manodidina ny 57 izany. Faharoa, ny firosoana amin’ny fampitomboana ny famokaram-bary ho 9 ka hatramin’ny 12 taona isaky ny hektara. Ary farany ny fampitomboana ny tahan’ny herinaratra vokarina avy amin’ny angovo azo havaozina hatrany amin’ny 70%-n’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara, hatramin’ny taona 2028. Miara-dalana amin’izany ny firosoan’ny Fanjakana malagasy amin’ny fampiasam-bola amin’ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra 100 MW, mampiasa ny angovo avy amin’ny masoandro isan-taona, manomboka amin’ity taona ity. Raha ny zava-misy eto amintsika ankehitriny mantsy dia lafo ny saran’ny famokarana herinaratra satria mbola ampiasana ireo menaka mavesatra izany. Tsy mifandanja ny saran’ny famokarana sy ny vidin’ny herinaratra varotana amin’ny mpanjifa, hany ka misy fiantraikany goavana amin’ny toekarena. Manoloana io, mila atao laharam-pahamehana ny fanavaozana ny famokarana herinaratra mba ho fanatrarana ny tanjona fampiroboroboana ny indostria.

Fidiran’ny Madagasikara ao amin’ny SACREEE

Nampiavaka ny fanokafana ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria ho an’ny SADC omaly ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana mikasika ny fidiran’i Madagasikara ofisialy ao anatin’ny SACREEE na ny “Centre de la SADC pour les Energies Renouvelables et l’Efficacité Energétique”. Ny SACREEE izay ivontoerana ao amin’ny SADC mikarakara sy mijery akaiky momba ny angovo azo havaozina sy ny fahombiazan’ny fampiasana izany angovo izany, nijoro nanomboka ny taona 2017. Nisolotena ny Fanjakana malagasy nandritra io fifanaovan-tsonia io ny Minisitry ny Angovo sy ny Akorafo Jean-Baptiste Olivier. Nohazavainy fa anisan’ny andry goavana izay ho fampivoarana ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC ny fanatsarana ny fisitrahana herinaratra. Tsy mitovy anefa ny hafainganam-pandehan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny vondrona. Misy ireo efa mivoatra be eo amin’io sehatry ny angovo io, misy kosa ny mbola tratra aoriana. Napetraka, noho izany, ny ivontoerana SACREEE mba hahafahan’ireo firenene efa lasa alavitra mifampizarana ny fahaiza-manaony amin’ireo firenena sasany mbola mila izany. Misy matihanina maro ao amin’io ivontoerana afaka manome ny tsara ho fantatra rehetra mahakasika ny fanatsarana amin’ny fisitrahana angovo, hoy hatrany ny Minisitra. Mifampizara torohevitra, mifampizarana ireo dingana arahana amin’ny fanatsarana ny sehatry ny angovo, indrindra mampiroborobo ny fahombiazana amin’ny fampiasana angovo. Araka izany dia azo antoka ny fisiana fifampizarana eo amin’ireo matihanina ireo sy ireo teknisianina avy eto amintsika. Na avy amin’ny Fanjakana izany na ihany koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Nomarihin’ny Minisitra fa tsy mahakasika ny famokarana angovo ihany akory ny sehatra azo hifanakalozana ao. Azo ampiroboroboana tsara ihany koa ny mahakasika ny fitaterana sy ny fitsinjarana angovo ary ny fampivadiana ireo karazana famokarana sahaza ny isam-paritra.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer