
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FAMPIROBOROBOANA NY TSIPIKANETIBE: Fanamby ny hametrahana kianja manaraka ny fenitra iraisam-pirenena
Mamiratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, eo amin’ny lafiny fahaiza-manao amin’ny taranja tsipikanetibe. Tamin’ny volana oktobra lasa teo, raha tsiahivina, dia lalao nandraisantsika anjara tany Isla Cristina-Espagne ny fiadiana ny tompondaka eran-tanin’ny tanora amin’ny taranja tsipikanetibe. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara satria isika no nandrombaka ny medaly volamenan’ny tompondaka eran-tany amin’ny “doublette mixte” sy ny medaly volafotsy na ny laharana faharoa eran-tany amin’ny sokajy “triplette mixte” nandritra io lalao io. Ireo lalao natrehana ireo dia mametraka an’i Madagasikara ho voalohany amin’ny laharana ara-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tanin’ny tanora amin’ny tsipikanetibe, nahazoatsika isa 65. Raha toa ka 52 ny isa ho an’i Italia ary 36 isa ny isa ho an’i Thaïlande.
Nisy ny fanomanana natao mba nahazoana ireny vokatra ireny, hoy ny fanazavana nentin’ny filohan’ny federasion’ny tsipikanetibe malagasy. Naharitra telo volana teo ny fanomanana, hoy ity farany. Na izany aza dia nambarany fa mbola maro hatrany ny ezaka tokony hotanterahana mba hahatonga an’i Madagasikara ho lohalaharana maneran-tany ao anatin’io tontolon’ny tsipikanetibe io. Raha ny filaharana misy amin’izao fotoana mantsy dia mitàna ny laharana faharoa maneran-tany isika, aorian’i Thaïlande.
Omaly moa dia noraisin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Rasambany Alain Désiré, teny Mahamasina, ireo atleta tanora namiratra tamin’ireo lalao natrehina tany Espagne ireo. Niarahaba ireo nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ny Minisitra. Tamin’izany indrindra no nanambarany fa hisy ny fanomezana mari-pankasitrahana manokana ho an’ireo atleta, ho mariky ny fisaorana sy fankatoavana ny zava-bitany. Tamin’io fotoana io ihany koa dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fandraisana ny hetahetan’ny federasion’ny tsipikanetibe malagasy ho fampiroboroboana izany taranja izany. Nanazava ny Minisitra fa hiezaka ny Ministera hametraka fotodrafitrasa manara-penitra sy manaraka ny kalitao iraisam-pirenena ho an’ny tsipikanetibe satria tsy mbola manana izany. Hojerena, hoy izy, ny toerana sy ny mpiara-miombona antoka hanolo-tanana amin’izany. Ny fahavitan’io fotodrafitrasa mamaly ny filàna iraisam-pirenena io hahafahana mampiroborobo ny taranja sy manatsara ny fahaiza-manaon’ireo atleta malagasy mpisehatra amin’ny tsipikenetibe.
S.S



