KolontsainaSongadim-baovao

FAMPIROBOROBOANA NY VAKOKA SY NY KOLONTSAINA : Hatsangana eo Anosy ny Mozean’ny Haino aman-jery « Havoria »

Tontosa omaly tetsy amin’ny tokontany malalaky ny ORTM Anosy ny fametrahana ny vato fototra fanombohana ny asa fananganana ny Auditorium et Musée de l’audiovisuel « HAVORIA ». Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, teo koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimieram-pirenena, ireo loholona, ireo solombavambahoaka sasany, ireo Masoivoho vahiny sy ny solontenan’ny rantsan’ny Firenena Mikambana, ankoatra ireo olo-manankaja samihafa.

Avy any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara ny teny hoe « Havoria ». Manambara ireo fivoriambe iarahan’ny mpianakavy sy ny mpiara-monina, na ankasoavana na ankaratsiana, ny foto-kevidehibe fonosin’ny teny Havoria, indrindra fa ny any amin’ny faritra Atsimo nipoiran’izany teny izany. Nosafidiana manokana ny eo amin’ny tokontany malalaky ny ORTM hametrahana ny foto-drafitrasa manarapenitra noho ity toerana ity manana ny tantarany manokana teto amin’ny firenena. Tsiahivina tokoa mantsy fa teo amin’io toerana hametrahana ny Havoria io fahizay no nanaovan’ireo mpitantana ny firenena kabary goavana hanamarihana hetsika iray lehibe. Nifandimby teo amin’izany toerana izany avokoa ireo karazana endri-danonana samihafa, raha tsy hitanisa afatsy ny hetsika goavana tamin’ny fampiainana ny mpiray tanindrazana ny lalao CAN 2019 nandraisan’ny ekipa Malagasy anjara.

« Nouveaux Projets Emergents » (NPE)

Nifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny andro maneran-tanin’ny harem-bakoka momba ny haino aman-jery (Journée mondiale du patrimoine audiovisuel) isaky ny 27 Oktobra tahaka izao, ny daty hanombohana ny asa fananganana ity fotodrafitrasa goavana ity. Marihina amin’izany fankalazana izany indrindra ny fanentanana ny maha zava-dehibe ny fitahirizana ny raki-peo sy ny raki-tsary ary ireo fitaovana ho an’ny haino aman-jery nifandimby mba ho harem-bakoka. Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Andriatongarivo nandritra ny lahateniny, fa tafiditra ao anatin’ireo tetikasa novolavolain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina miainga amin’ny « Nouveaux Projets Emergents » (NPE), izay tsy maintsy ataon’ny departemanta ministerialy rehetra, ny fananganana ny Auditorium Havoria. Tanjona, hoy hatrany ny Minisitra amin’ny fananana fotodrafitrasa tahaka izao ny fisian’ny toerana hitehirizana ireo harem-bakoky ny haino aman-jery, ny fananana ihany koa toerana manana tao-trano kanto sy manaraka ny fenitra takiana amin’izany. Tsara ho fantatra fa efa saika manana ny toerana fanaovana fampisehoana azy ireo manokana avokoa ireo haino aman-jery tsy miankina eto amintsika, raha toa ka tsy mbola manana ny azy ny Haino aman-jerim-panjakana hatramin’izao.

Hahazaka mpijery hatramin’ny 700 mipetraka

Amin’ny maha fotodrafitrasa goavana azy, dia maro ireo efitra samihafa ho hita ao anatin’ity Havoria ity. Hisy ny Auditorium azo anaovana seho lehibe mahazaka mpijery hatramin’ny 700 mipetraka. Hisy ihany koa ny efitrano mifampitohy ahafahana mampiranty ireo harem-bakoky ny haino aman-jery, ny salle de projection, ny toerana fisakafoana isan-karazany, birao samihafa, toerana fanaovana famerenana ara-mozika sy ara-dihy, ankoatra ny toerana manokana ho an’ireo olo-manan-kaja. Haharitra 5 volana ny fanamboarana ny asa rehetra araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra misahana ny asa.

« Anisan’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fanorenana sy fanarenana fotodrafitrasa manarapenitra mifandraika amin’ny filàn’ny vahoaka ary ho lovain’ny taranaka », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Hanamarika tantara vaovao ny fametrahana ity fotodrafitrasa goavana ity, hoy hatrany ny Filoham-pirenena.

Fermer