Songadim-baovaoToekarena

FAMPITOMBOANA NY FAMOKARANA: 2 tapitrisa dolara mahery avy amin’i Chine hividianana zezika ho an’ny tantsaha

Misafidy ny hampihatra ny diplomasia ara-toekarena i Madagasikara. Midika izany fa ireo fifandraisana ara-diplomatika misy eo amin’i Madagasikara sy ireo firenen-kafa dia tokony hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny toekarena eto amintsika sy mipaka any amin’ny vahoaka. Endrika isehoan’izany indrindra ny fiarahamiasa misy eo amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine sy ny Firenena malagasy, izay nosoniavina omaly.

Nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rafaravavitafika Rasata, fa vola mitentina hatrany amin’ny 2 250 000 dolara no homen’i Chine ho an’i Madagasikara ao anatin’izao fiarahamiasa izao. Tetibola izay natao hividianana zezika simika hanohanana ireo tantsaha mpamokatra. Misy faritra vitsivitsy tena mamokatra nosafidiana manokana itsinjarana io zezika io, araka ny fanampim-panazavana hatrany. Tsy maintsy misy kosa ny fepetra amin’ny fisitrahana izany, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ratohiarijaona R. Suzelin raha nanatrika ity fifanaovan-tsonia ity. Notsipihiny fa fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana izao fiarahamiasa izao. Ary mifandrimbona tanteraka amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fahaleovantena ara-tsakafo satria ny zezika dia singa iray mampitombo ny tahan’ny vokatra.  “Ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ankehitriny dia ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny “grande campagne rizicole 2024-2025”, ka mino izahay fa ho tonga ara-potoana any amin’ny tantsaha ireo zezika ireo”, hoy hatrany ny Minisitra Ratohiarijaona R. Suzelin. Ity farany izay nilaza fa mbola ambany ny tahan’ny fampiasana zezika isaky ny hektara eto amintsika. Latsaky ny 10 kilao isaky ny hektara izany. 

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny 100 andro izao fifanakalozana taratasy izay natao izao, hoy kosa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny nanamafy. Ny tenany izay nanipika fa anisan’ny fomba iray hanatanterahana ny diplomasia ara-toekarena izao notanterahana izao satria porofo entina maneho fa rehefa misy fiarahamiasa amin’ny firenena iray dia misy vokany azo tsapain-tanana ary mipaka any amin’ny vahoaka tokoa izany. Ny Mpiraki-draharaha eo anivon’ny Masoivohon’i Chine miasa sy monina eto amintsika, M. M. Zhang Wei, kosa dia nanamafy fa mariky ny fiarahamiasa akaiky eo amin’ny firenena roa tonta ity fifanaovan-tsonia ity.

Fermer