
PolitikaSongadim-baovao
FAMPITOVIANA ZO NY VOAFONJA: Nakatona ny toeram-pamonjana manokana “Maputo” eny Antanimora
Mitovy zo avokoa ny voafonja, ary tsy misy intsony ny gadra politika, raha ny nambaran’ny Minisitra teny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly. Nakatona araka izany, ny “Maputo”, toeram-pamonjana manokana ny gadra politika tany aloha, nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny Minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy…

“Mitovy zo avokoa ny voafonja rehetra fa tsy misy tombo sy ala!” Io no voalazan’ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, nandritra ny fitsidihany tampoka teny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly. Raha hiverenana dia efa ho roa herinandro izao no nandraisan’ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Minisiteran’ny fitsarana ny fanapahan-kevitra fanakatonana ny toerana antsoina hoe “Maputo” ao amin’ny fonjan’Antanimora ity, izay nosokafana hamonjana ireo gadra politika tamin’ny fotoan’androny, saingy fantatra, fa tsy mbola nampiharina avy hatrany izany, ary izao nidinana ifotony izao mihitsy. Notsindrian’ny Minisitra, fa tsy misy intsony ny gadra politika amin’izao fotoana, ary izany indrindra no anton’ny fanakatonana. Manoloana ny fahateren’ny fonjan’Antanimora anefa, izay efa ahitana voafonja manodidina ny 4000 ankehitriny, raha 1000 no natao ho zakany tany am-boalohany, dia heverina ny hampiasana azy hametrahana ireo voafonja zokiolona mihoatra ny 70 taona. Fanapahan-kevitra entina hampitsaharana ny fisian’ny tombo sy ala eo amin’ny samy voafonja no anton’izany, ary koa ho fanafoanana ny mety ho endrika kolikoly eny anivon’ny fonja, hoy hatrany ny Minisitra. Fantatra ihany koa, fa mbola misy toeran-kafa heverina hahazoan’ny voafonja sasany tombony manokana eny Antanimora, nandritra ity dian’ny Minisitra teny an-toerana ity. Tanjona tamin’izany ny hahafahana manampy ireo Mpandraharahan’ny fonja eo anatrehan’ny fanatsarana ny tontolo iseharan’izy ireo, ary ho fanatsarana ny toe-piainan’ny voafonja.
Mifanindran-dalana tanteraka amin’ny andry voalohany napetraky ny Filoha “ny fanomezan-danja ny maha olona” io fidinana tampoka io, dia ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja. Eo anatrehan’izany indrindra no antony nanitarana ny isan’ny fonja manerana ny Nosy, raha tsiahivina. Miisa 09 izany manerana ny Nosy, ka anisan’izany ny fonjan’Ambohitrabiby izay mahazaka voafonja 900 isa. Ankoatr’izay ny ezaka fampitaovana ireo mpandraharahan’ny fonja, toy ny fiara fitaterana voafonja. Ny minisitera ihany koa dia miezaka amin’ny fampanajana ny zon’ny voafonja, anisan’izany ny fanomezana sakafo ampy sy ara-pahasalamana azy ireny, izay nanoavana laharam-pahamehana ny fameloma-maso ireo toby famokaran’ny voafonja (camp pénal), ankoatry ny fampiofanana arak’asa hanomanana indray ny fiverenan’izy ireny eny anivon’ny fiarahamonina (réinsertion sociale). Niara-dia tamin’ny Minisitra nandritra io fidinana ifotony tampoka io ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona, sy ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Sakina Mohamady Volazara.
Nangonin’i Stan R.



