Songadim-baovaoToekarena
FAMPIVOARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA: Vory lanona eto Madagasikara ireo mpandraharaha aty amin’ny Ranomasimbe indianina
Mifanakalo hevitra eto Madagasikara ireo tompona orinasa goavana sy mpandraharaha eto amin’ny Ranomasimbe Indiana mandray anjara amin’ny andiany voalohan’ny CEO Summit. Tanjona ny hanomezana sehatra azy ireo hifanakolazana hevitra sy hifampizarana traikefa sy fomba amam-panao tsara manoloana ireo fanamby ara-toekarena eto amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana. Nanterin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tao anatin’ny fandraisam-pitenenany, nandritra ny lanonam-panokafana omaly, fa ny sehatra tsy miankina dia anisan’ny fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ary fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hampiroboroboana ny indostria sy hamokarana eto an-toerana izay rehetra ilain’ny vahoaka malagasy.
Nohamafisin’ny Filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), fa zava-dehibe tokoa ny fifanakalozana eo amin’ny samy sehatra tsy miankina aty amin’ny ranomasimbe indianina mba hahafahana mijery ny sehatra azo iarahamiasa hisian’ny fampandrosoana miaraka. Nambarany fa samy manana ny maha izy azy avokoa ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI). Ho an’i Madagasikara manokana dia mbola manana velarantany midadasika azo trandrahina saingy tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy. Hany ka lasa mbola manafatra any ivelany isika nefa tokony mahavelona ny vahoaka malagasy ny vokatra vokarintsika, ary koa afaka mamatsy ireo firenena rahavavy aty amin’ny ranomasimbe indianina.
Tsara ho fantatra fa anjatony ireo mpisehatra mandray anjara amin’ity fihaonambe ity, ary izay zavatra tapaka mandritra izany dia ho entina any amin’ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana eo anivon’ny COI amin’ny fiandohan’ny taona 2025.
LR.



