SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY: Notokanana ny ivon-toeram-pamokarana asatanana « Har’Kanto »
Betsaka ny vehivavy mivelona amin’ny fanaovana asatanana, raha ny eto Madagasikara. Toerana iray hahafahan’izy ireo miasa sy ny manamafy ny famokarany, noho izany, ny ivon-toerana vaovao etsy amin’ny Cenam Andavamamba "Har'Kanto", izay vao notokanan’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, omaly.
Tafiditra ao anatin’ny vinan-dRamatoa Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filoham-pirenena, sady Filoha mpanorina ny “Association Fitia » ny fampiroboroboana ny asa tanana amin’ny Faritra rehetra eto Madagasikara. Tanjona amin’izany ny mba hahatonga ireo vehivavy hahaleotena arak’asa ary mba tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina, fa ho anisany andry iankinana, araka ny fanazavany. Ohatra amin’ireo asa tanana fanaon’ny vehivavy malagasy ny fanaovana rofia. Be ny vokatra azo avy amin’ny fidirana amin’ity seha-pihariana ity, raha ny nambaran’i Nandrasana Michèle, mpanao Rofia, sady mpampiofana eo anivon’ny Cenam mpanao Rofia iray. Maro ny dingana atao vao mahavita vokatra iray raha ny nambarany. Tsy mijanona eto an-toerana ihany ny vokatra, hoy izy, fa ahondrana mankany any ivelany, toy ny mankany amin’ny Nosy Maurice. “Olana kely fotsiny raha ho an’ny mpanao asa tanana rofia eto an-toerana ny fanangonan’ireo olona sasany avy eny am-potony ireo rofia ka lasa vokatra ratsy no tonga aty aminay”, hoy hatrany ny fanazavany.
Omaly, nisy ny fitokanana ny toerana izay famolavolana sy fampiofanana arak’asa ho an’ny vehivavy misehatra amin’ny asa tanana, ary koa, toerana natokana ho an’ireo vehivavy manana fahasembanana ara-batana an-jatony maro teny amin’ny Cenam 67ha. Novatsin-dRamatoa Mialy Rajoelina fitaovana iombonana ihany koa ireo vehivavy. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana, dia maimaim-poana ho an’ireo mpanao asa tanana ny fidirana ao amin’ny toerana ity, ary sehatr’asa maro samihafa no azon’ny mpanao asa tanana atao ao. Raha ny nambarany, misy fandaminana sy fisoratana anarana ny fidirana amin’izany ka ny avy amin’ny « Association Fitia » no mandrindra azy.
Fitaovana enti-miasa
Nandritra ny hetsika omaly, olona manana fahasembanana 20 mianadahy no nahazo fitaovana fikarakana mofo mamy na laforo vita gasy, izay fiaraha-miasa ny UNFPA sy ny “Association Fitia”. Ankoatra izay, nisy ny fanolorana fitaovana enti-miasa na « kit de demarrage » ho an’ireo vehivavy manaraka fiofanana toy ny « cuisine », sy « patisserie » avy amin’ny UNFPA izay natolotry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Atoa Tsikel’Iankina Ernest. Manaraka izany, nankasitrahan’ny Minisitra manokana ihany koa ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina, amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahina ny tanjona sy vina mikasika ny asa tanana sy ny sehatra ny fanabeazam-pirenena.
Izany hetsika rehetra izany, dia notanterahina omaly teny amin’ny cenam 67ha, izay notronin’ny avy amin’ny « Association Fitia » notarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina, ary natrehan’ny Minisitra vehivavy maromaro toy ny Minisitry ny indostria sy ny varotra ary asa tanana, ny Minisitry ny mponina, ny Minisitry ny Serasera sy ny kolotsaina, ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny Minisitry ny Asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ary natrehin-dRamatoa tale jeneralin’ny cenam, sy ireo Vehivevy mpanao asa tanana, ary nahitana ihany koa ny solontenana koperativa maromaro. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny valo martsa izay andron’ny vehivavy ity hetsika ity.
Néla (Mpianatra asa).



