Songadim-baovaoToekarena
FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY : Vehivavy 25 hiofana momba ny nomerika mandritra ny 2 volana
Tetikasa mitodika manokana amin’ny vehivavy malagasy, indrindra ireo misedra fahasahiranana, ny “Ampela online”. Ity farany izay miompana amin’ny fanomezana fampiofanana ireo vehivavy sahirana, eny amin’ny “Maison du numérique” Ankorahotra. Nanolotra Solosaina miisa 25 an’ity toerana ity ny Yas Madagascar omaly, mba hahafahana manatanteraka izany tetikasa izany. Ny “Maison du numérique” sy ny Yas moa dia efa mpiara-miasa hatrany hatramin’izay ao anatin’ny “Inclusion numérique”.
Araka izany, miisa 25 ireo vehivavy hiatrika fiofanana ao an-toerana, izay haharitra 2 volana. Araka ny fanazavan’ny Tomponandraikitry ny RSE eo anivon’ny Yas Madagascar, Riantsoa Rabefitia, dia miisa 100 eo ireo vehivavy kendrena hisitraka ity fiofanana maimaimpoana ity hatramin’ny Desambra 2025. Notsindriany fa ny vehivavy rehetra dia afaka mandefa antontan-taratasy any amin’ny tomponandraikitra avokoa, indrindra ireo vehivavy sahirana. Anisan’ny teboka takina dia hoe vehivavy izay manana asa kely efa mamokatra vola ho azy, ka amin’ny alalan’ity tetikasa ity dia ho ampiana manokana izy ireny, mba hampivelatra ny asa ataony amin’ny alalan’ny fanomezana fampianarana sy fampiofanana momba ny nomerika.
“Mamaly ny vina izay voizinay eo anivon’ny YAS ity tetikasa ity, dia ny inclusion numérique pour tous, izany hoe tsy voatery manana fahalalana be momba ny nomerika ianao vao afaka mandrato fahalalana momba izany. Ny vehivavy rehetra hisitraka ity tetikasa ity dia omena fahalalana feno”, hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina fa anisan ireo mpiara-miombon’antoka am’ity tetikasa vaovao ity ny STEM For Good satria anisan’ireo manome lanja sy manohana ny vehivavy sy ny teknolojia eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy izy ireo.




