PolitikaSongadim-baovao
FAMPODIANA NY KABESON’NY MPANJAKA TOERA : Nanaporofo indray ny fahaiza-mihaino ananan’ny Filoha Rajoelina
Ny zoma teo dia noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina teny Ambohitsorohitra ny Solontenan’ny fianakaviana Kamamy, izay nisolo tena ny taranaka mivantan’ny Ampanjaka Toera sy ireo solontenan’ny olom-boafidy avy any amin’ny Faritra Menabe nandaminana ny fomba fandraisana rehetra momba ny fampodiana ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera. Nandritra izany dia nihaino ireo fangatahana sy sosokevitry ny fianakaviana ny Filohan’ny Repoblika. Tapaka nandriitra io fihaonana io, araka izany, fa amin’ny Aogositra, araka ny tetiandro omen’ny olobe sy ny fianakaviana, no hanatanterahana ny lanonana, na ny fakana azy any Parisy, na ny lanonana fandraisana azy eto Madagasikara.
Omaly, naneho ny heviny momba ity raharaha ity ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy, izay efa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha ihany koa. « Voalohany indrindra dia mankasitraka feno ny fahendrena nananan’Atoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ka nihaino ny feon’ny rehetra avy tany Sakalava Menabe mikasika ny fomba tokony atao amin’ny fampodiana an’io kabeson’ny Mpanjaka io », hoy ny fanehoan-keviny. Nanoloana ny disadisa nateraky ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’ireo samy taranaky ny Printsy Pierre Kamamy dia tena zava-dehibe ny fanapahan-kevitra noraisiny nandravona ny disadisa ka tsy natao an-tery, tian-kano tsy tian-kano ny lanonana saika natao tamin’ity volana Aprily ity.
Famerenan-kasina
Ny fomban-tany Sakalava mametraka mazava fa tsy fanaovan-draha ny volana Aprily any amin’izy ireo ka nanolo-kevitra izy ireo hoe amin’ny volana Aogositra hanaovana ny « TSIRITSY » no hanaovana ny lanonana hanaterana ny Kabeso any Sakalava ary tokony ampiraisina amin’izay amin’ny Kabesony ny ambin’ny taolam-balon’ny Mpanjaka Toera. Zava-dehibe loatra ho an’ny Fanjakana Sakalava izany, hamerin-kasina indray ny Fanjakana Sakalava ka naneho fahendrena lehibe Atoa Filohan’ny Repoblika nihaino sy nandanjalanja izany tokony ho fanajana ny fomban-drazana izany, satria Kolontsaina izany. “Na inona na inona lazaina tamin’ity raharaha ity dia mbola nahatsapa sy resy lahatra amin’ny fahaiza-mihaino ananan’Atoa Filoha aho, satria tsikaritra ihany fa misy ny manipy hoditr’akondro azy ny mpiara-miasa aminy sasantsasany”, hoy ny fanehoan-keviny.
“Mamerina ny fisaorana sy fankasitrahana an’Atoa Filoha aho, satria anisan’ny nanankinan’ireo Raiamandreny sy Olobe Sakalava ny hafatra tokony nampitaina fa tsy mety ny saika hanaovana letrezana ny lanonana tany Menabe amin’ny Volana Aprily ity sy ny toerana saika ho nametrahana ny Kabeso rehefa tonga. Mivaha tanteraka izany olana izany ankehitriny, miarahaba ny Sakalava Menabe sy ny Sakalava amin’ny ankapobeny rehetra aho fa ny isavorovoroana tokoa hilantoana. Mankasitraka ny fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina”, hoy hatrany ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Ny tenany izay namerina sy nampahatsiahy ireo dingana rehetra efa nodiavina nanomboka ny novambra 2020 ka hatramin’ny Oktobra 2023, fony ny ekipa notarihiny teo amin’ny fitantanana ny Minisitera, manodidina ny resaka fampodiana Kabeson’ny mpanjaka Toera.
Ny Fanoratana.




