
Songadim-baovaoToekarena
FAMPODIANA VOLA VAHINY, FANGARAHARANA : Ho averina miaraka amin’ny fepetra vitsivitsy ny fanondranana volamena
Nandray ny fitantanana ny Minisitera omaly ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena, taorian’ny nanendrena azy, ny alarobia teo. Resaka maromaro mahakasika ny sehatra iantsorohany eo anivon’ny Minisitera no nitondrany fanazavana tamin’ity andro voalohany nandraisany asa ity, isan’izany ny resaka volamena sy ny tontolony.

Na dia tsy mbola namaritra fotoana aza ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, dia efa nilaza fa tsy azo ihodivirana ny famerenana indray ny fanondranana volamena avy eto Madagasikara. Ny oktobra 2020 no naaton’ny Fitondram-panjakana ankehitriny fahafahana manondrana volamena avy eto Madagasikara. Anton’ny nandraisana ny fanapahan-kevitra ny fisian’ny gaboraraka teo amin’ity sehatra ity sy ny tsy famerenana vola vahiny teto an-tanindrazana. Heritaona sy tapany aty aoriana, tsy mbola miverina ny fahazoan-dalana manao fanondranana volamena. Amin’izao fisian’ny Minisitra vaovao misahana ny Harena an-kibon’ny Tany izao, noho izany, dia tafiditra anatin’ny Vinan’ny Fanjakana ny hamerina indray izany fanondranana izany saingy miaraka amin’ny fepetra vitsivitsy. Isan’izany ny tsy maintsy hisian’ny famerenana ny devizy na ny vola vahiny eto an-tanindrazana. Izany dia manampy amin’ny fampitomboana lanja ny “Ariary” sy fanarenana ny toekarem-pirenena amin’ny ankapobeny. Isan’ny fepetra ho raisina ihany koa ny famerana ny sandan’ny volamena. Ary farany, ny fanarahana ny lalan’ny volamena. Zava-dehibe, araka ny fanazavana, ny fijerena ny toerana niaingan’ny volamena. Ny tamberimbidy dia tokony hisitrahan’ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana hivoahan’ireny harem-pirenena ireny, raha ny fanazavana hatrany.
Famindram-pahefana
Marihina fa tontosa omaly maraina ny fifamindram-pahefana teo amin’ Andriamatoa Ntsay Christian, Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, nisolo toerana ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ; sy ny minisitra notendrena hisahana an’izany ministera izany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, araka ny didim-panjakana laharana 2022-400 omaly 16 martsa 2022. Fanamby goavana ho an’ny firenentsika ny fanomezana aina vaovao ho an’ity seha-pihariana ity, hoy ny Praiminisitra, ary dingana voalohany hahatongavana amin’izany ny hanovàna ny « Code minier » hifanaraka amin’ny lalan-tsaina apetraky ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, hanatsarana ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara sy hiadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko. Naneho ny faniriany mba hanohizan’ny mpandimby azy ny ezaka efa natombony ny Praiminisitra. Araka izany dia nitsoa-drano ny Ministra Rakotomalala Herindrainy Olivier ny tenany, mba hahavita be amin’ny andraikitra nankinina aminy, indrindra hiasa amin’ny fahamarinana sy fahitsiana eo amin’ny fitantanana ankapobeny eo anivon’ny ministera, mba hahatanteraka ny Vina napetraka ho tanjona eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.




