Politika
FAMPODIANANA AN-TANINDRAZANA: Natoka-monina avokoa ireo mpandeha tonga farany teto Madagasikara
Ny 01 Novambra teo no daty farany nahafahan’ireo teratany malagasy naniry hiverina an-tanindrazana, nody teto Madagasikara. Natoka-monina avy hatrany tany amina hotely lehibe sy trano fandraisam-bahiny isan-karazany ireo mpandeha rehetra tonga. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpandeha 240 nandray ny sidina avy any Addis Abeba tonga tao Ivato, ny Asabotsy 31 Oktobra 2020 teo, tamin’ny 1ora sy 30mn tolakandro, tamin’ny zotra Ethiopian Airlines tonga hody eto Madagasikara. Nalefa avy hatrany tao amin’ny Hotely Lavilla Verte, Anjary,Ilo, Le Centell, Le Hintsy, Ivotel, EKAR Anatihazo, Rivera, Ikopa, Sizama, Tana, Domaine Saint François, Chalets des Roses, Medicis, Central Hotel, Ibis, Relais des Plateaux, Tamboho Suite, Carlton, Sakamanga, ary IC Hotel ireo mpandeha vao tonga ireo. Ankoatra io, nisy ihany koa sidina avy any Eoropa niainga avy tao Paris hihazo an’i Madagasikara, tonga ny Asabotsy 31 Oktobra teo ihany, tamin’ny 8ora sy 39mn raha tokony ho tonga tamin’ny 6ora hariva. Mpandeha 66 no nentin’ny fiaramanidin’ny Air Madagascar tamin’izany. Toerana nihibohan’ireo mpandeha kosa ny tao amin’ny Hotely Villa Verte, Ibis, Relais des Plateaux, Tamboho Suite, Chalets des Roses, Domaine Saint François, Jacaranda, Centre Population Isotry. Nanamarika ny sabotsy teo koa ny fahatongavan’ireo mpandeha 68 nentin’ny fiaramanidina Air France, avy any Paris tonga teto Madagasikara, tamin’ny 11ora sy 46mn raha tokony ho tonga tamin’ny 11ora sy 25mn. Tao amin’ny hotely Ibis, Relais des Plateaux, Tamboho Suite, Carlton, Sakamanga, IC, no natoka-monina ireo mpandeha. Nisy koa ny sasany nihiboka tany an-trano. Tsara marihana fa ny Minisiteran’ny Fahasalamana no nanao ny test PCR ny mpandeha rehetra ary mivoaka ao anatin’ny 1 na 2 andro ny valin’ny fitiliana ka afaka mamonjy ny toera-ponenany izy ireo aorian’izay, indrindra raha voamarina fa nihiba ny valin’ny fitiliana.




