
Fanadihadiana Manokana
FANABEAZANA ARA-PANANAHANA: Hamafisina ny fanentanana eny anivon’ny sekoly
Sekoly miisa 4 amin’ny Faritra 4 samihafa eto Madagasikara no hanatanterahana fandaharanasa fampiroboroboana ny fanabeazana ara-pananahana. Mifandraika amin’ny politika nasionaly sy ny filàna misy eto amin’ny firenena izany. Tsy voaresaka loatra eny amin’ny fiarahamonina mantsy ny mahakasika io lohahevitra io. Aorian’ny tetikasa fitaratra dia hirosoana ny fanitarana ny fandaharanasa any amina sekoly maro manerana ny Nosy.
Mbola mipetraka olana hatrany eo anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano malagasy ny firesahana momba ny fahasalamana ara-pananahana. Antony mahatonga io ny sakana mifandraika amin’ny fady sy ny fomban-tany. Apetraka hatrany ho lohahevitra tsy firesaka eo amin’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka ny mahakasika ny fanananahana, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Raha ny zava-misy eto an-drenivohitra indray, maro ireo mijoro vavolombelona fa ireo Ray aman-dReny mihitsy no mandrisika ny zanany hiroso amin’ny fanaovana fandrindram-piterahana, ohatra, na dia mbola tsy ampy taona sy vao eny amin’ny kilasy ambany aza ny zanany. Anton’izany ny hoe tsy te hanan-dratsy izy ireo satria miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra ny tanora ankehitriny. Ankoatra ireo, nambaran’ireo mpisehatra manodidina ny fanabeazana ara-pananahana fa na ny Fanjakana na ireo fikambanana tsy miankina mpisehatra (ONG) dia tsy sahy miresaka mivantana ny zavatra tena ilain’ny tanora manodidina io fahasalamany ara-pananahana io. Misy amin’ireo tanora ihany no maka hevitra eny amin’ireo mpitsabo saingy tsy ampy izany, hoy ny fanazavana. Tsy voaresaka tsara ny fanabeazana ara-pananahana feno, izay tsy momba ny firaisana ara-nofo ihany fa hanehoana ihany koa ny maha olona ary mirakitra zavatra maro ara-batana, ara-tsaina, ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po.
Manan-danja, araka izany, ny fampiroboroboana ny fanabeazana ara-pananahana any amin’ireo tanorantsika. Ny tsy fahampian’izany dia miteraka tsy fahatombanana maro eo amin’ny fiarahamonina. Mirosoa aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo ny tanora, mitondra vohoka tsy hiriana, mitarika amin’ny fialana an-daharahana any an-tsekoly, ary mety hisy fiantraikany hatrany amin’ny fahafatesan’ny Reny ny zaza. Araka izany, hamafisina hatrany ny fanabeazana mba hisorohana ireo rehetra ireo.
Fampiharana tetikasa fitaratra amina sekoly miisa 4
Manoloana ireo rehetra ireo dia manamafy ny ezaka efa ampiharin’ny Fitondram-panjakana eo amin’io lafiny fampiroboroboana ny fanabeazana ara-pananahana io ny fikambanana MMPF (Mouvemeny Malgache pour le Planning Familial). Nampahafantarin’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alatsinainy teo ny fandaharanasa manohana ireo zo momba ny fahasalamana ara-pananahana na ny “PADSSR”. Fandaharanasa natomboka tamin’ny volana jona 2024 ary mifarana amin’ny volana desambra 2026, mikendry ny fanamafisana fanentanana ireo zatovo sy tanora amin’ny resaka vohoka tsy niriana sy ny fahafahany mandray fanapahan-kevitra amin’ny fahasalamana ara-pananahana.
Araka izany, nasongadina tamin’io alatsinainy io fa sekoly miisa 4 no hatao fitaratra hampiharana ny fandaharanasa amin’izao fanombohany izao. Sekoly izay samy ahitana ankizy sy tanora amin’ny sokajiny avy ka anisan’izany ny EPP Soamandrakizay ho an’ny Faritra Analamanga, ny Lisea Rakotoarisoa any Ambositra, ny CEG Miarinarivo any amin’ny Faritra Itasy, ary ny Lisea André Resampa any Antsirabe. Mason-tsivana napetraka tamin’ny fisafidianana ireo sekoly ireo ny fananany “infirmerie scolaire”. “Anton’io safidy io ny mba hitohizan’ny asa eny anivon’ny sekoly rehetra tapitra ny tetikasa”, hoy ny fanazavana.
Teboka 3 lehibe no hiasana no anatin’ny fampiharana io fandaharanaa io. Voalohany ny fanomezana fahalalana amin’ny resaka fanabeazana ara-pananahana. Izany hoe fanamafisana fanentanana amin’ny alalan’ireo mpanabe olon-tsahala. Solontenan’ny mpianatra, 5 lahy sy 5 vavy, ao anatin’ny sekoly iray ireo. Omena fiofanana ka izy ireo indray avy eo no manaparitaka ny fanentanana any amin’ireo mpianatra namany. Asa tanterahana faharoa ny fanohanana sy fampitaovana ireo “infirmerie scolaire”. Omena fiofanana ihany koa ny tompon’andraikitra eny amin’ireo toerana ireo mba hahafahany miaino sy manome toromarika sahaza ireo zatovo sy tanora eny anivon’ny sekoly. Teboka fahatelo farany ny fampiroboroboana ny sehatra hifanakalozana any am-pianarana rehefa ny fotoana hahafahana manatanteraka izany.
Araka izany, ankizy hatramin’ny 9 000, miampy olona manodidina azy hatramin’ny 3 000 (Ray aman-dReny, mpampianatra sy talen-tsekoly) no kendrena ho voakasika ao anatin’ny fampiharana izao fandaharanasa izao. Hatramin’ny nanombohana tamin’ny volana jona 2024 dia mpianatra hatramin’ny 3 500 isa no efa voakasiky ny hetsika notanterahana.
Miara-dalana amin’ny fampiharana ny politika nasionaly
“Tena mitovy ny tanjon’ny Ministera sy ny fikambanana MMPF ao anatin’ny fampiroboroboana io fanabeazana ara-pananahana io”, hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ka tohanana hatrany izy ireo ao anatin’ny fampiharana izany. Mifandray sy tafiditra tanteraka amin’ny fampiharana ny politika nasionaly momba ny fanabeazana ho amin’ny fiaraha-miaina mirindra an-tsekoly (EVH) ny fampiroboroboana io fanabeazana ara-pananahana an-tsekoly io. Nalaina tao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mihitsy aza izany hoy ny MMPF. Aorian’ny fahatontosan’ny fandaharanasa PADSSR, vina hapetraka ny hanitarana ireo fampiroboroboana ny fanabeazana ara-pananahana ireo any amina sekoly maro manerana ny Nosy. Indrindra any amin’ireo izay manana ‘infirmerie scolaire” mba hiantohana ny fahombiazan’ny tetikasa.
Manao laharam-pahamehana io EVH sy ny fanabeazana ara-pananahana io moa ny Ministera. Vao tamin’ny zoma lasa teo no nisy ny atrika mifandraika amin’izany notanteraka tany Antsirabe. Atsikasa niompana tamin’ny fanatsarana ireo fitaovana enti-sy antontan-kevitra enti-mampiofana, hahafahan’ireo “mpanabe EVH” isan-tsokajiny avy mampita sy mitaiza ny zaza, ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora mpianatra manomboka amin’ny Garabola ka hatrany amin’ny fahazoany diplaoma Bakalorea, amin’ny Fanabeazana azy ireo mba hananany toetra amam-pihetsika hiatrehany ny hoavy mamiratra, amin’ny alalan’ny fampiharana ny ny programan’asa EVH atao eny anivon’ny sekoly. Solontenan’ny mpanabe EVH isan-tsokajiny miisa 145 avy amin’ireo foibem-pitondram-paritry ny MEN sy ny METFP eto Madagasikara no nandray anjara tamin’ny atrikasa ka 96 isa amin’izany no avy amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



