Fanadihadiana ManokanaSosialy

FANABEAZANA MAMPIATY: Vitsy ireo sekoly mandray ankizy hafakely

Nomarihina tamin’ny 29 novambra lasa teo ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty. Mbola betsaka ny ezaka tokony hotanterahina ho fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty eto Madagasikara satria mbola vitsy ireo sekoly mandray ankizy hafakely. Zo fototra tokony hositrahan’ny ankizy rehetra anefa ny fanabeazana sy ny fampianarana…

Ny fanabeazana mampiaty dia miompana amin’ny fampiroboroboana ny fidirana an-tsekolin’ny ankizy rehetra manana filàna manokana noho ny antony ara-pahasalamana vokatry ny fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina, ao antin’ny rafi-panabeazana ara-dalàna. Rehefa izany, vinan’ny fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty ny tsy hisian’ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana intsony any amin’ireo olona manana fahasembanana sy marefo eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Ankilany kosa, ny tanjon’ny Fitondram-panjakana dia ny hanolotra fanabeazana mitovy lenta ho an’ny zaza malagasy tsy an-kanavaka izay mifanaraka amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra. Tsara ny manamarika fa misy ny lalàna eto Madagasikara izay mifehy ny fanabeazana mampiaty dia ny Didim-panjakana laharana 2009-1147 izany, mametraka ny politika ankapoben’ny fanabeazana mampiaty.
Ny fampiatiana amin’ny lafiny fanabeazana, araka izany, dia mifototra amin’ny fananganana sekoly iraisan’ny mpianatra manana fahasembanana amin’ny mpianatra hafa ary ahitana fotodrafitrasa sahaza ireo ankizy hafakely ireo ao anatin’io sekoly io. Nomarihin’ireo mpisehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty fa samy hafa ny “fampiatiana” sy ny “fampidirana ho anisany”. Ity farany izay mifototra amin’ny fananganana sekoly natokana ho an’ny olona manana fahasembanana. Tafiditra ho anisan’ireo misitraka fanabeazana ireo ankizy hafakely saingy mbola natokana tsy hiaraka amin’ny mpianatra hafa izy ireo.
Sekoly 118 ao anatin’ny Faritra 10
Zo fototra tokony hananan’ny ankizy rehetra ny fisitrahana fanabeazana sy fampianarana. Toy ny ankizy rehetra dia manan-jo hiditra any an-tsekoly ihany koa ireo ankizy hafakely, manana fahasembanana sy marefo. Tsiahivina fa sokajiana ho ankizy hafakely rehefa zaza na ankizy miaina ao anatina tsy fahatomombanana sy karazana fahasembanana rehetra na ara-batana izany, na ara-tsaina. Fanamby lehibe ho an’ireo Ray aman-dReny manana ankizy hafakely sy marefo anefa ny fitadiavana sekoly sahaza ho azy ireo. Vitsy mantsy ny isan’ireo sekoly eto Madagasikara mampiaty ny ankizy hafakely, raha mitaha amin’ny tinady misy. Zaraina 3 mazava tsara ny sokajy misy ireo sekoly ireo ka ao no ahitana ireo sokajin-tsekoly mampiaty. Izany hoe sekoly mandray ankizy hafakely ka mametraka azy ireo ho iray kilasy amin’ny ankizy hafa rehetra. Sokajy hafa ny mandray ankizy hafakely saingy manokana kilasy hafa mihitsy ho azy ireo, tsy mifangaro amin’ny ankizy rehetra. Isan’ireo ahitana izany eto an-drenivohitra ny ao amin’ny EPP Analakely. Sokajin-tsekoly mampiaty fahatelo farany ny any amin’ireo ivontoerana izay ireo ankizy manana tsy fahatombonana sy fahasemabanana ihany no beazina ao.
Ho fanomezana tantsoroka ireo Ray aman-dReny amin’ny fitadiavana sekoly mety ho an’ny zanany dia nanatanterana fanadihadiana any amin’ireo Faritra 10 iasany ny fikambanana “Autisme Madagascar”. Fanadihadiana izay namoahana ny lisitr’ireo sekoly mety afaka mampianatra ankizy hafakely eto amin’ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony, Anosy, Atsimo Andrefana, Menabe, Diana, Atsinanana, ary Boeny. Tanjona tamin’izany ny hahafantatra ny mombamomba ireo sekoly, ny toerana misy azy sy ny laharan-tariby azo hifandraisana. Fehiny, sekoly miisa 118 no afaka mampiaty sy mandray ankizy hafakely ao anatin’ny Faritra miisa 10. Ahitana sekoly betsaka indrindra hatreto ny eto Analamanga na dia mbola tsy mahasahana ny filàna aza izany, hoy ny tompon’andraikitra. 20 ireo sekoly hita any amin’ny Faritra Atsinanana, 11 any Boeny, 2 ny any Menabe, ary 13 ny any Vakinankaratra.


Fanamarihana ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty

Marihina isaky ny datin’ny 29 novambra moa ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty. Andiany fahefatra, araka izany, no nomarihina tamin’ny zoma lasa teo. Lohahevitra navoitra ny hoe “fanabeazana mampiaty: mampifandray, manaja ny fahasamihafana, mitondra fahatsarana”. Nikarakara hetsika ho fanamarihana izany teny amin’ny EPP Vohibole Bel Air ny foibem-pitondrana misahana ny fampianarana malala-drafitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Natomboka tamin’ny fifandimbiasam-pitenenan’ireo tompon’andraikitra ny fankalazana. Avy eo narahin’ny hafatra mifototra amin’ny haitaky, sy seho an-tsehatra nataon’ny ankizy avy amin’ny ONG HAFA. Tsy adinoina ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpianatra manana olana ara-pahitana avy eny amin’ny anjerimanontolo. Nampiavaka io fotoana io ihany koa moa ny fanolorana ny kilasy mampiaty “fanarenana” ho an’ny Mada Triso avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Io kilasy io izay natao ho fanomanana ireo zaza ao anatin’ny fikambanana, mialoha ny tena hidiran’izy ireo any an-tsekoly. Nisy, araka izany, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny MEN sy ny fikambanana ho fampiharana ny fanabeazana mampiaty.
Isan’ireo tonga nanome voninahitra io ivon’ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty io moa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Robson Ialitiana Patricia izay nisolotena ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny solotenan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana arak’asa. Teo ihany koa ny vovonam-pirenena misahana ny fanabeazana mampiaty sy ireo mpiara-miombona antona.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer