Songadim-baovaoSosialy

FANABEAZANA: Ny fandehanana an-tsekoly no miato, fa ny fampianarana mitohy

Fantatra fa hitsahatra manomboka ny Alatsinainy 19 aprily 2021 izao, ary tsy hiverina raha tsy ny fahatelon’ny volana mey ho avy izao, ny fandehanan’ireo zaza malagasy mamonjy ny trano sekoly fianarana manerana ny Nosy, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra farany.

Ny famoriana ireo mpianatra anaty lakilasy no hiato mandritra io tapa-bolana io fa mitohy hatrany kosa ny  famitana ny programam-pampianarana 2020 – 2021, araka ny nambaran-dRamatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nohamafisiny fa efa niomanana ary efa nisy lamina maty paika napetraka niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena, dia ny Paef sy Unicef, ny hahafahana manohy sy mampita ny fampianarana anaty fiatrehana ny ady amin’ny Covid-19. Tamin’izany indrindra no nilazan’ny Minisitra fa efa tonga eny anivon’ireo sekolim-panjakana ireo fitaovana  hanatontosana ity fomba fiasa vaovao ity ary efa fantatr’ireo tomponandraikitra ny toromarika arahina amin’izany. “Livret d’auto-apprentissage” io no hiantsoana ity fomba fianarana amin’ny endriny vaovao ity, paikady izay hisorohana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina, araka ny fanazavany hatrany. “Afaka mianatra sy manao famerenana isanandro ihany ny ankizy, mety mandray lesona isa-kerinandro any am-pianarana ny Ray aman-dreny, izay ataon’ny ankizy any an-trano, ary avy eo averina any an-tsekoly. Tanjontsika ny tsy hahatapaka ny fampianarana ny ankizy noho ny mbola maha ao anatin’ny taom-pianarana antsika”, hoy ny Minisitra.

Nitondra fanazavana mahakasika ny Datim-panadinam-panjakana ihany koa ny Minisitra ary nanambara fa miankina amin’ny fivoaran’ny aretina no hitazomana na tsia ny daty izay efa voafaritra.

“Protocole pédagogique” sy ny “Protocole sanitaire”

 

Nanao antso avo amin’ireo sekoly tsy miankina izay mbola minia manokatra ny toeram-pianarana ihany koa ny tenany amin’ny tokony hanarahan’izy ireo ny lamina apetraky ny Fanjakana Foibe. “Tsy mitazam-potsiny azy ireny anefa akory izahay, fa efa misy ny tomponandraikitra midina ifotony mijery sy mandray an-tanana avy hatrany raha vao mahafantatra ny fisian’izany”,  hoy ny Minisitra. Nampatsahiviny fa efa nomena ireo sekoly rehetra manerana ny nosy ireo “protocole” roa mahakasika ny covid-19 sy ny fanabeazana, dia ny “protocole pedagogique” sy ny “protocole sanitaire”izany. Ity farany izay manoritsoritra ny fepetra rehetra arahina eo amin’ny fomba hampitana ny fampianarana ary ny fiatrehana ny valanaretina. Notsipihiny mazava fa ankinina feno amin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ireo sekoly tsy miankina ny fanapahankevitry rehetra mifanandrify amin’izany lamina izany.

Notsindrian’ny Minisitra tomponandraikitra fa samy mandray ny andraikitra manandrify azy, na ny mpianatra na ny Ray aman-dreny, na ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny anivon’ny sekoly, ka tokony hijanona an-trano ny mpianatra ary manohy ny fianarany. Hentitra ny fanapahakevitra, hoy ny Minisitra, kanefa tsy maintsy nirosoana ho fiarovana ny ain’ny mpianatra malagasy sy ireo mpanabe ary ny vahoaka iray manontolo.

Nanamafy ary nitondra fanampim-panazavana ihany koa ny Tale Jeneraly ara-pedagojika eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Raoniherijaona Andriamiakatsilavo sy nyTale Jeneraly misahana ny sekoly Ralainirina Razokiny eric, izay nanambara fa « tsy mianatra ny mpianatra ho fiarovana azy ireo, ho fiarovana ny fianakaviany, ho fiarovana ny mpampianatra sy ny mpandraharaha eny anivon’ny sekoly ». Izy ireo izay nanentana ihany koa fa ny Ray aman-drenin’ny mpianatra no maka ny lesona sy ny fampiarana ho an’ireo sekoly tsy miankina.

Sata (mpianatra asa)

Fermer