Songadim-baovaoSosialy
FANABEAZANA TSARA KALITAO: Tafapetraka ny Lisea manarapenitra ao Antsiranana
Taorian’ireo faritra ampolony maro izay efa nisitraka sekoly manarapenitra, anjaran’ny tao amin’ny renivohitry ny Faritra Diana indray no nisitraka izany, tamin’ny nananganana ny Lisea manarapenitra vaovao, izay vao notokanana omaly. Araka izany, ity no Lisea manarapenitra voalohany niorina teto Madagasikara.
Tafiditra tanteraka tao amin’ny fandaharam-potoan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tao Antsiranana ny fitokanana ny Lisea Manarapenitra vaovao antsoina hoe Ambohimitsinjo. Ity no lisea manarapenitra voalohany indrindra vita eto Madagasikara, ary Lisea faharoa miorina ao Antsiranana, araka ny fanazavana. Raha ara-tantara, tamin’ny taona 1960 no niorina ny Lisea voalohany tao Antsiranana. Amin’izao fitondran’ny Filoha Andry Rajoelina izao indray vao nisy fanorenana Lisea vaovao. Izany hoe, 61 taona aty aoriana.
Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, dia Lisea iray sy Ceg iray ary EPP miisa 17 no nisy tao Antsiranana hatramin’izay. Teo anatrehan’izany, lasa mitsoaka an-daharana ny ankizy satria tsy ampy ny Lisea. Manala fahasahiranana, noho izany, ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity. Izay sady ahafahana misitraka fanabeazana tsara kalitao. Ny Minisitra izay nanazava fa miisa 592 ny mpianatra hisitraka ny fotodrafitrasa, ary mpampianatra 24 no hiasa eo anivon’ny sekoly. Nandritra ny fandraisam-pitenenany kosa, nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa mila aseho amin’ny asa ny fitiavana. Ary manomboka izao dia tokony hitovy daholo ny zanaka malagasy.
Fanolorana Kapa
Ankoatra izay dia natao tao amin’io Lisea vaovao io koa ny fanolorana kapa (sandale) ireo mpianatra avy ao amin’ny Epp Scama. Izany dia fampanantenan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fotoana nandalovany tany Antsiranana volana maromaro lasa izay.
Tetsy ankilany, nisy ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena mivady tao amin’ny Masera « sœur du cœur immaculée de marie ». Nandritra izany no natao ny lanonana fanombohana ofisialy ny asa fanamboarana ny » Centre de formation pour les personnes en situation d’handicapes et des personnes âgées dépendantes » antsoina hoe Centre Akany Fitiavana, Akany Fitaizana sembana sy antitra mila fikarakarana manokana. Ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika no miantoka ny fanorenana io ivon-toerana io. Ankoatra izay, tamin’io fotoana io koa ny lanonana fanombohana ofisialy ny fanorenana ny sekoly manarapenitra any Ambohimitaratra. Fotodrafitrasa izay mbola an-dry Masera koa ary mbola ny Fiadidiana ny Repoblika koa no miantoka ny fanorenana izany.



