PolitikaSongadim-baovao
FANADIHADIANA NATAO TANY ATSIMO: Niniana nodisoina ny adihevitra, tsy voatohitohina ny asa fanaovan-gazety
“Tsy hoe mpanao gazety vahiny dia tsy maintsy ho marina sy tsy azo iadian-kevitra, na hoe mpanao gazetin’ny TVM dia tsy maintsy ho diso », hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly raha niresaka mahakasika ilay fanadihadiana nataona mpanao gazety vahiny momba ny Kere any Atsimo. Tsy misy olona manana ny marina samirery, hoy izy, ary tsy tokony havadika amin’ny hevitra diso ny adihevitra.
Ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo izay nanamafy fa tsy adihevitra momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety na fahalalahana maneho hevitra mihitsy no tokony hatao amin’iny zavatra nitranga tany Atsimo iny. “Ny fahalalahan’ilay mpanao gazety naneho hevitra, nanao fanadihadiana dia tsy voatohitohina mihitsy. Nahazo loharanom-baovao izy, tsy nisy nandrara azy tsy handeha ho any amin’ny Faritra Androy, tsy nisy nandrara azy tsy hamoaka ny vaovao nataony, na tamin’ny Kaontiny manokana na tany amin’ny France 24 sy ny sisa, ary tsy nisy nandroaka azy niala teto Madagasikara”, hoy ny fanazavany, “tsy nanana eritreritra akory aza ny Fitondram-panjakana hikitikitika azy amin’ny asany”. Fotoana izay nanambarany fa tsy hoe rehefa solontenana orinasan-gazety iraimpirenena dia tsy azo valiana ny vaovao. Mbola nametrahany fanontaniana koa ny hoe hatraiza ny azo inoana ny tenin’ilay olona nanaovana fanadihadiana? Ahoana no ilazana fa rehefa ilay mpanao gazety vahiny no miresaka aminy dia marina fa rehefa mpanao gazety malagasy dia diso?.
Fihinana ny hoditra…
Niaiky ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa ny kere dia misy any Atsimon’ny Nosy, saingy tsy Ambovombe Androy na Ambosary Atsimo iray manontolo akory. Mbola nohamafisiny koa ny voalazan’ny mpanao gazety Latimer Rangers tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny herinandro ny amin’ny tokony hahafantarana tsara ny Faritra Androy mialohan’ny hiresahana azy.
Notsindriany, noho izany, fa tsy tokony havadika ny adihevitra. “Ny filazana fa mihinana kapa hitsahana ny mponina no tsy hankasitrahan’ny olona fa tsy misy milaza fa tsy misy ny Kere”, hoy izy. Ny fanaovana ny dinik’asa any Atsimo dia efa fanekena fa misy ny Kere, ary maneho fahavonona hitady vahaolana ho amin’izany. Na ny Filoha tany Abidjan aza mbola niresaka momba ny Kere. “Ny hoditra dia fihinana, fa ilay izy hatao kapa ka lazaina fa hohanina no olana”, araka ny nambarany hatrany. Nodisoan’ity tomponandraikitra ity ihany koa ny filazana fa tato anatin’ity Fanjakana ity vao nisy ny Kere. Ny taona 1932, hoy izy, no nanombohan’ny Kere. Teo aloha dia isaky ny 10 taona no nisy izany. Ankehitriny, lasa isaky ny 3 taona no miseho ny hanoahana.
“Tsy manda ny andraikitra hamaha ny olan’ny Kere ny Fanjakana, ary tsy manenjika ny olona mitady vahaolana ho an’ny any Atsimo. Efa fandraisana andraikitra ireny fikaonan-doha tany Atsimo ireny. Omeo roa taona ny Fitondram-panjakana hanatanterahana ireny vina sy tetikasa ireny”, hoy hatrany ny fanazavany.
Ny Fanoratana.




