Songadim-baovaoSosialy

FANADINANA BAKALOREA: Tsy misy laza adina mivoaka mialoha, mpisoloky 4 no voasambotra

Nandiso ny vaovao niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Nihely mantsy omaly ny filazana fa misy ireo olona voasambotra noho ny famoahana mialoha laza adina bakalorea. Nohamafisin’ny Dr Behaja Alan Basile izay Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony fa tsy marina io filazana fivoahan’ny laza adina mialoha io. Ireo mpisoloky milaza fa manana laza adina ka mivarotra izany mba hahazoana vola any amin’ireo mpiadina sy ny Ray aman-dReniny kosa anefa dia maro an’isa. Misy amin’izy ireo no efa voasambotra ka 3 no nidoboka am-ponja vonjimaika. Ny iray kosa mbola miatrika fanadihadiana. Mitohy hatrany ny fiarahan’ny Ministera miasa amin’ireo mpitandro filaminana ao anatin’ny fitsirihana ireo olona miketrika ny hanakorontana ny fanadinam-panjakana ireo. Mbola mandeha ankehitriny ny fanadihadiana olona hafa mpisoloky ankoatra ireo izay efa eo am-pelatanana.

Fanamafisana ireo fepetra fiarovana…

Manoloana ireo zava-misy ireo dia manainga hatrany ireo mpiadina sy ny Ray aman-dReniny ny Fitondram-panjakana mba ho tony mialoha, mandritra sy aorian’ny fanadinana bakalorea. Efa noraisina sy nohamafisina ary nohatsaraina ny fepetra rehetra ho fiarovana ny fanatanterahana izany fanadinana izany. Miainga any amin’ny famolavolana ny laza adina dia efa nohamafisina ny fiarovana ny toerana fihibohan’ireo mpampianatra mpiantsehatra. Tsy misy olona afaka miditra sy mivoaka ao amin’io toerana io ary mifanome tanana ho fiantohana ny hoavin’ny tanora malagasy ireo mpitandro filaminana rehetra. Any amin’ny fitsinjarana ny laza adina indray dia zava-baovao noentina tamin’ity taom-pianarana ity ny fampiasana fitaovana manokana manampy amin’ny fanaraha-maso na ny “caméra de surveillance”. Hampanarahana ireo fiara mitatitra ny laza adina io fitaovana io, hatrany amin’ny ivontoeram-panadinana hanatobiana ny laza adina. Miasa 24 amin’ny 24 ora. Mandritra ny andron’ny fanadinana indray, nisy ny fepetra manokana noraisina mahakasika ireo valopy misy ny laza adina bakalorea. Tsy atao taratasy mipetaka intsony fa natao soratra natonta mivantana miaraka amin’ny valopy ny soratra mahakasika ireo tsara ho fantatra rehetra momba izany valopy izany. Nampiana kokoa ireo pitsopitsony misoratra eo ivelany mba hialana amin’ny mety ho fahadisoana ka mitarika ny ambana amin’ny fivoahan’ny laza adina mialoha. Ohatra amin’izany ny hoe efa voarakitra eo ivelan’ny valopy avokoa ny mombamomba ilay ivontoeram-panadinana, ny fotoana tokony hamoahana ny valopy, ny isan’ireo mpiadina tokony hisitraka ny laza adina ao anatiny, sy ny efitranom-panadinana sahaza ny laza adina. Tsy natao ambanin-javatra ihany koa ny fanomanana valopy fiandry. Fehiny, “manao ny ainy tsy ho zavatra izahay ato amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa mba hampirindra araka ny tokony ho izy ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity ka tsy misy ny ahiahy avy amintsika mpianatra, fa andeha araka ny tokony ho izy io fanadinana io”, hoy ny toky nomen’ny tompon’andraikitra.
Tsiahivina fa 21 hatramin’ny 25 jolay 2025 no hanatanterahana ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Mitohy ny 28 hatramin’ny 31 jolay 2025 izany ho an’ny bakalorea sokajy teknika.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer