SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FANADINANA CEPE: 64,22% ny taham-pahafahana tao Boeny
Isan’ireo niatrika ny fanadinam-panjakana ny 08 Septambra teo ireo kilonga tao amin’ny Faritra Boeny. Afak’omaly, nivoaka ny valim-panadinana ofisialy, izay mandravona ny vokatra azo tamin’ireo distrika rehetra mandrafitra ny Faritra. Tamin’ny ankapobeny, tsara ny vokatra, ary tafiakatra 64, 22% ny taham-pahafahana ho an’ny Faritra Boeny.
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, afak’omaly, rehefa nankatoavin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny voka-panadinana Cepe 2020, ho an’ny Faritra Boeny iray manontolo. Tao amin’ny biraon’ny Dren Mahajanga no namoahana izany. Tamin’ny ankapobeny, tsara ny vokatra na dia nisy ny olana natrehin’ny mpianatra noho ny valanaretina Covid-19. Saika niraisan’ny mpianatra rehetra teto Madagasikara rahateo ny tsy fianarana mba ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ho an’ny Faritra Boeny manokana, mbola niampy ny voina tamin’ny fisian’ny tondran-drano koa ny sembatsembana nisy teo amin’ny sehatry ny fampianarana.
« Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Mahajanga I manokana dia nahazo vokatra teo amin’ny 71,89%, 57,71% kosa izany ho an’i Mahajanga II, 57,24% ny tao Marovoay, 58,27% ny tao Ambato Boeny, 65,21% ny tao amin’ny Cisco Mitsinjo, 67,83% ny tao amin’ny Distrikan’i Soalala. Rehefa natao izany ny tambatr’isa sy ny salan’isa, dia 64, 22% ny taham-pahafahana ho an’ny Faritra Boeny iray manontolo”, araka ny fanazavan-dRandriamiandrison Jean Rémi, lehiben’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Boeny.
Antontan’isa izay nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa tsy mena-mitaha amin’ny Faritra hafa izay efa nahazoana voka-panadinana. Nisy ny ezaka nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, araka ny fanadihadiana, raha tsy hilaza afatsy ny fampianarana ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana, tamin’ny alalan’ny haino vaky Jery, manerana ny Faritra Boeny, izay nahazoana vokatra tsara.
58,20% ny taham-pahafahana tao Matsiatra Ambony
Etsy ankilany, 58,20% ny taha-pahafahana tamin’ny fanadinam-panjakana Cepe tamin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Taha izay nahitana fidinany raha nitaha tamin’ny taon-dasa izay tany amin’ny 62,46%, araka ny antontan’isa navoakan’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Raha jerena amin’ny antsipiriany kosa anefa ny valim-panadinana isaky ny distrika mandrafitra ny Faritra, isany nahazoana vokatra tsara ny tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao ambonivohitr’I Fianarantsoa, izay tafiakatra 70,23%. 44,60% kosa ny taham-pahafahana ho an’ny Distrikan’i Vohibato. Eo anelanelan’ny 54 hatramin’ny 62% kosa ny an’ireo Cisco hafa. Ankoatra ireo, nidina ihany koa ny taha-pandraisana anjaran’ny mpiadina ho an’ity faritra ity. Araka ny antontanisa mantsy, dia 29914 tamin’ireo 32567 nisoratra anarana ihany no tonga niatrika ny fanadinana, izany hoe ny 91,85%-n’ireo kandida ihany. Raha tsiahivina anefa, 95% ny taha-pahavitriana tamin’ny taon-dasa.




