SamihafaSosialy
FANADINANA CEPE: Efa mandroso ny fanomanana ireo pitsopitsony rehetra
Raha nampametra-panontaniana ny maro teo aloha, efa mandroso ary tsy maintsy ho tanteraka ny fanadinam-panjakana amin’ity taom-pianarana 2019-2020 ity. Efa mandroso ny fanomanana ny pitsopitsony rehetra hiatrehan’ireo kilonga malagasy ny fanadinam-panjakana, eran’ireo Dren rehetra manerana ny Nosy, na dia samy mamana ny laza adina sy ny daty eo amin’ny fanatanterahana, aza…
Raikitra ny fanadinam-panjakana! Tsy maintsy hatao io fanadinam-panjakana io mba tsy handiso fanantenana ireo zaza malagasy sy ireo Ray aman-dreny rehetra manana azy ireo, raha ny hevitry ny fitondram-panjakana. Na izany aza, fantatra fa efa vonona ary hanampy azy ireo amin’ny fanatanterahana izany, ny fitondrana, amin’ny alalan’ny fanomanana maty paika, tsy hisian’ny olana eny an-tsefatsefany eny, indrindra eo amin’ny ara-pahasalamana. Nambaran’ny minisitra tompon’andraikitra, fa efa maro ireo dingana vita, toy ny fanaovana ny laza adina isam-paritra. Eo koa ny fandefasana azy ireny manerana ny Nosy, izay tanterahina mandritra ity herinandro ity ihany, ary ny fanohizana ny fanontana. “Efa vonona avokoa ireo Dren isam-paritra rehetra amin’ny fotoana samihafa tapaka ankehitriny hanatanteraka io fanadinam-panjakana io. Tsara homarihina fa avy tamin’izy ireo ihany ireo daty tapaka rehetra, amin’ny fotoana mety hanatanterahana ny fanadinana”, nanamafy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dokotera Sahondrarimalala Marie Michelle. Ohatra amin’izany ny eto Analamanga, izay efa nahavita ny taratasy fiantsoana rehetra, hatramin’ireo mpampianatra hiambina mandritra ny fanadinana. Efa misy koa ireo teknisianin’ny fanabeazana, hanara-maso sy hamaha olana mandritra ny fotoana.
Tsy maintsy homena ny taratasy fiantsoana ireo mpianatra

Ny mikasika ny taratasy fiantsoana ireo mpianatra hanala fanadinana indray, dia nazava ny tenin’ny Filoham-pirenena fa tsy maintsy homena ireo mpianatra izany, na sekoly miankina na tsia. Nohamafisin’ny minisitra nandritra ny fivahinianany tetsy amin’ny ORTM Anosy, izany omaly, fa tokony hisitraka io taratasy fiantsoana azy io avokoa ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana rehetra. “Ny tsy fahazoany izany dia midika ho famotehana azy, satria diploma ilain’ny rafi-pampianarana eto amintsika ny CEPE, ka tsy tokony hanaovana takalon’aina ny zaza malagasy”, hoy ny minisitra. Raha ny fandaharam-pianarana indray, fantatra fa nisy ireo Dren efa nahavita izany hatramin’ny farany. “na teo aza ny “Hamehana ara-pahasalamana” napetraka isam-paritra, nisy kosa ireo Dren efa nahavita soa aman-tsara ny fandaharam-pianarana, toy ny Dren Sava, noho ireo fepetra ara-pahasalamana tsy nitovy tamin’ny faritra hafa. Na izany aza, fantatra fa maro ireo mpanabe sy mpampianatra niezaka nanohy sy nahatanteraka izany fandaharam-pianarana izany, tamin’ny alalan’ny fomba maro samy hafa, ka nahazoan’ireo ankizy ny fahalalana hatrany, entiny miatrika io fanadinana ho avy io”, raha ny namafisiny. Fantatra ihany koa, fa efa nisy ny fanampian’ny fitondram-panjakana, ankoatra ireo fomba rehetra nentin’ireo sekoly samihafa, nampianarana ny ankizy, toy ny “Izaho koa mba te hahay”. Efa vita nanaraka izany koa ny fanadinana andrana (CEPE), ho an’ireo Dren rehetra manerana ny Nosy, raha ny fanampim-panazavany. Raha ny mikasika ireo kilasy tsy miatrika fanadinam-panjakana indray, miankina tanteraka amin’ireo mpanabe rehetra amin’ny sekoly ny famindrana kilasy azy ireny, amin’ny alalan’ny fijerena ny fari-pahalalany nandritra ny taona, hoy hatrany izy.
Arovana ny ankizy hanala fanadinana
Fantatra, fa hozaraina arotava maimaim-poana tsirairay ireo mpianatra hanala fanadinana, hatramin’ireo mpiantsehatra rehetra hanao izay hahatontosa izany. Hipetrapetraka avokoa ny fandraisana ireo mpianatra any anaty sekolim-panadinana, toy ny fisian’ny fanadiovana tanana, ny fanatanterahana ny elanelana takian’ny fepetra. Hisy ny famendrahana fanafody isan’andro ireo toeram-panadinana, raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra, ary voakasik’ireo fepetra horaisina ireo, ny CEPE, BEPC, ary ny Bakalorea. Raha tsiahivina, ny 01 septambra ho avy io no hanatanterahana ny CEPE, hoan’ny faritra Antsiranana, Sava, Diana, Antananarivo, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, ary Bongolava. Ny 08 septambra kosa ny ao Mahajanga, Sofia, Boeny, Melaky, Betsiboka, Matsiatra Ambony, Amoron’I Mania, Ihorombe, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana. Ny 15 septambra no an’ny Atsimo Andrefana, Anosy sy Androy, Menabe, Atsinanana, Alaotra Mangoro, ary Analanjirofo. Ny datin’ny fanadinana BEPC kosa dia hotanterahina ny 21 ka hatramin’ny 25 septambra 2020, manerana ny Nosy.




