SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FANADINANA CEPE : Tombanana hivaly afaka herinandro
Tsy niandry ela. Omaly ihany dia natomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinan’ireo ankizy niatrika ny fanadinam-panjakana Cepe, ny talata teo. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra, nozaraina amin’ny foibe fitsarana 15 ny fomba hitsarana ireo taratasim-panadinana. Nanazava ny tompon’andraikitra avy eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, fa vinavinaina ho afaka fito andro eo ny fivoahan’ny valim-panadinana. Ao anatin’ny roa andro no hizotra ny fitsarana, hoy ny fanazavana, izany hoe hifarana anio. Hanomboka rahampitso kosa, hiditra amin’ny fandikana ireo naoty ao anaty solosaina ireo mpitsara, izay haharitra dimy andro. Amin’ny ankapobeny, milamina ny fizotry ny fitsarana, ary arakaraky ny isan’ny taratasim-panadinana no isan’ny mpitsara isaky ny foibem-pitsarana 15 eto Antananarivo. Niantso fitoniana ho an’ny rehetra ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Cisco Antananarivo amin’ny fiandrasana ny valim-panadinana. Tsy mitovy avokoa mantsy, hoy izy ireo, ny zava-misy rehetra any amin’ny Cisco manerana ny faritanin’Antananarivo, ka mety hisy fifandisoana kely ny fotoana hivoahan’ny valim-panadinana. Na izany aza, efa mizotra am-pilaminana ny asa fitsarana ankehitriny, ary tombanana hivoaka afaka herinandro izany…




