Songadim-baovao

FANAFIHAN-JIOLAHY MAHERY VAIKA : Trano roa nodorana, valo mianaka maty may, iray maty voatifitra

Nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika tao amin’ny tanànan’Ankidaondrano, ao anatin’ny kaominina Ambohiborona, distrikan’i Faratsiho, ny alin’ny zoma, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Nodoran’ireo dahalo ampolony ny trano miisa roa, ka maty may tao avokoa ireo tao an-trano, raha nisy lehilahy iray maty notifirin’ireo olon-dratsy. Mandeha ny fanadihadiana…

Ilay trano nodoran’ireo andian-jiolahy.

Nampalahelo ny zava-nitranga nanjo ireo mpianakavy izay notafihan’ny jiolahy ampolony, tao amin’ny fokontany Ankidaondrano, kaominina ambanivohitra Ambohiborona, anatin’ny distrikan’i Faratsiho, ny zoma alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Raha ny angom-baovao, jiolahy nitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika ireto nanafika tokantrano roa ireto. Efa nandrasan’ireo jiolahy teo amin’ny varavarana ireo tao an-trano ka tsy afa-nikofoka. Niroso tamin’ny fandoroana ny trano avy hatrany ireto olon-dratsy. Nisy iray tamin’ireo tao an-trano tsy nahatanty ny zava-nitranga ka nivoaka saika hanohitra ireo olon-dratsy, saingy notifirin’ireo jiolahy ka maty tsy tra-drano. Vokatr’io fandorana ny tranon’izy ireo io, dia maty may tao avokoa ny valo mianaka tao an-trano.   Isan’ireo may tamin’izany, ny raim-pianakaviana 43 taona sy ny vadiny 41 taona, niaraka tamin’ireo zanany 19 taona, 17 taona, ka hatramin’ny ankizy vao 8 taona monja, tsy nisy tafavoaka velona avokoa. Fantatra fa misy ny olona efa ahiahina amin’izao raharaha izao, ary mandeha ny fanadihadiana tontosain’ny zandarimaria ankehitriny.

Valifaty miharo disadisa…

Isan’ireo fianakaviana maty notifirin’ny jiolahy.

Tsy vao izao no niharan’ny fanafihana ity tokantrano ity, fa efa nisehoan’izany, ny taona 2018. Fantatr’ireto fianakaviana ireto ireo olon-dratsy ka nisy ny fanenjehana ara-pitsarana, izay niafara tamin’ny fampidirana am-ponja mihitsy. Nanao vavabe izy ireo, fa raha tafavoaka ny fonja, dia tsy maintsy hanatanteraka valifaty, amin’ireto fianakaviana nitory. Ireo olon-dratsy, izay samy ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohiborona avokoa, ka nisy ny nidoboka am-ponja, raha nahazo sazy mihantona 5 taona kosa, ny sasany tamin’izy ireo. Ireo nigadra dia nisy tao amin’ny fonjan’Antsirabe. Rehefa natao ny fidinana ifotony tao amin’ny Fonjan’Antsirabe, dia tsy hita tao tokoa ny olona roa, voalaza fa isan’ny ahina ho nandray anjara tamin’ny fanafihana tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohiborona io. Rehefa nanontaniana ny tomponandraikitra ny fonja, dia nilaza fa efa nahazo fahafahana amin’ny ampahany ireo olona roa ireo.

Efa nidina nivantana any an-toerana ny Jeneraly, Kaomandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo, nijery ny zava-misy marina. Ankoatra izay, efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny zandary miisa efatra, ao amin’ny Zana-tobim-paritra Antsapandrano, afakomaly, tamin’ny 2 ora maraina nikaroka ireo olon-dratsy. Efa nisy ny fizahana ifotony nataon’ny tomponandraiki-panjakana any an-toerana sy ny fikarakarana ny razana, mialoha ny nandevenana. Fantatra fa nampiana zandary miisa 11 nalefa nidina ao amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana, hanampy ireo efa any an-toerana, hikaroka ireo nahavanon-doza. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ ny toe-draharaha sy  ny fanadihadiana lalina momba ny zava-niseho amin’ny resaka valifaty sy lonilony ity.

Fermer