Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANAFIHANA MIHARO VONO TETSY AMBODIAFONTSY : Voasambotry ny Zandary ireo jiolahy roa nandroba sy nidaroka

72 ora taorian’ny fanafihana sy vaky trano nataon’ireo jiolahy, tao Ambodiafontsy, ny alakamisy alina lasa teo, tao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Voasambotry ny Zandary ary voatazona ao amin’ny Borigadin’i Fenoarivo ireo mpamaky trano roa lahy mahery setra. Araka ny angom-baovao, tao amin’ny fokontany Falihery Anjeva no voasambotra ilay jiolahy iray, ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Rehefa nahazo angom-baovao momba io jiolahy io, ny zandary, nirosoana avy hatrany ny fitsongoana dia ka nahazoam-bokatra. Ny namany iray indray, efa nokarohina tany amin’ny vadiny, izay niterahany, tany Imerintsiatosika. Nanambara io vadiny teo aloha io, fa nisaraka efa ela izy ireo. Taorian’ny angom-baovao hatrany, fantatra fa tany Ambohibary Namehana no niafina ity jiolahy raindahiny, efa hita tarehy niparitaka tany anaty « Face book » ity. Omaly maraina tamin’ny 10 ora izy no tra-tehaka. Efa voahodidin’ny Zandary ny trano niafenany ka tsy afa-niala. Ilay sipany no nivoaka voalohany ary nibaradaka fa ao an-trano ilay jiolahy sakaizany, ka dia noraisim-potsiny.

Tsiahivina fa ny alakamisy lasa teo no nitranga ny fanafihana notanterahin’ireo jiolahy tao Ambodifontsy, ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano ity. Ny zanaky ny tompontrano lahy 18 taona sy ny vavy 15 taona ary ny faravavy 11 taona no tao an-trano, raha toa ka nandeha nivoaka nanatitra ilay mpanampy ny ray aman-drenin’izy ireo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy fahefany alina. Teo amin’ny 8 ora sy fahatelony alina no niditra ny tranon’izy ireo ny jiolahy anankiroa, izay azo sary tamin’ny alalan’ny fakantsary andrimaso na ny « caméra de surveillance ». Tsy fantatra mazava na nopitsohan’ireo olon-dratsy ny vavahady fidirana, raha ny nambaran’ny Tompontrano.

Voarakitra tao anaty « caméra de surveillance »

Hita tao anaty fakantsary andrimaso, ireo jiolahy nanara-drindrina. Ny zanak’izy ireo lahy nijery fahitalavitra tao ambany rihana no tratran’ireo olon-dratsy ka nodarohany tsy nananany antra. Vokany, niala daholo ny nifin’ilay tovolahy anoloana, ary vaky be ny lohany. Saika hiakatra tao amin’ny efitra ambony izy ireo, saingy vantany vao nahita ny tranga ilay vavikely 11 taona, dia niezaka nanidy ny varavarana, ka tsy tafiditra tany ireo jiolahy. Niverina namono ilay zanaky ny tompontrano lahy indray ireo jiolahy, izay niantso vonjeo. Raha ny hita tao anatin’ny horonantsary azon’ny fakantsary andrimaso, izay niparitaka tao anatin’ny tambazotra ara-tsosisaly Facebook, dia nanosika môtô sy nibata fahitalavitra lehibe ireo jiolahy. Tao anatin’ny 4 minitra no nanatontosan’ireo olon-dratsy ny fandrobana nataony.

Raha ny fitantaran’ilay raim-pianakaviana lasibatra, novelesina tamin’ny « barre à mine » ny zanany. Ireo zanany vavikely no niantso azy ireo mba hiverina haingana fa nisy olona tafiditra ao an-tranon’izy ireo. Nambarany fa vao afaka ny tetezan’Ampitatafika no nitodi-doha hiverina ny ray aman-drenin’ireo ankizy. Manoloana ny zava-nitranga, dia mbola raiki-tahotra noho io fanafihana io ireo ankizy, raha ny fitantaran’ny ray aman-dreniny. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ny raharaha, indrindra ireo mpiray tsikombakomba nametrahana ireo entana halatra azon’ireo jiolahy.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer