Songadim-baovao

FANAFIHANA TOBIN’NY ZANDARY TAO IMERINTSIATOSIKA : Zandary telo naratra, misokatra ny fanadihadiana

Notafihin’ny andian’olona ny Tobin’ny zandary ao Imerintsiatosika, afakomaly tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Raikitra ny tifi-danitra, nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso…Potika hatramin’ny 50%-n’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao an-toerana. Nisy ny fisamborana ka nahatratra folo ireo azo sambo-belona. Mitohy ny fanadihadiana…

Rava hatrany amin’ny 50% ny biraon’ny toby tao Imerintsiatosika.

Afakomaly tokony ho tamin’ny  1 ora maraina, dia nahazo antso tamin’ny laharana 119 ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Imerintsiatosika, fa misy jiolahy nanafika ao an-tampon-tanàna. Rehefa namonjy tao amin’ilay toerana voatafika ireo zandary dia lasa nitsoaka ireo jiolahy. Nitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny niharam-boina ka hita ny jiolahy iray. Rehefa nahita zandary izy io dia nitsoaka ka nifanenjehana. Nitsambikina tamin’ny tamboho izy, kanjo nianjera tany ambany ka ny lohany no nianjera taloha. Naratra mafy ka nentina tany amin’ny Hopitaly, kanjo tsy tana ny ainy. Tao aorian’izay,   nanaparitaka feo ireo  namany fa maty voatifitry ny zandary, ka nitarika nanafika ny Tobin’ny zandary.

Zandary telo naratra…

Isan’ireo zandary naratra nandritra ny sakoroka.

Tonga tokoa ireo andian-jiolahy niaraka tamin’ireo andian’olona nentanin’izy ireo nanafika sy nanimba zavatra tao amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria ao an-toerana. Araka ny toromarika sy baiko nomena,  tsy maintsy miaro ny Toby ireo zandary ary tokony hiaro tena ihany koa. Ka afaka mampiasa ny fitaovana eo am-pelatanany hanatanterahana izany. Raikitra ny tifi-danitra sy baomba mandatsa-dranomaso, izay nampiasaina hanaparitahana ireo andian’olona nandrava. Nomena baiko manokana ihany ireo zandary fa « rehefa tsy misy azo anoharana manoloana ny fanafihana ny toby dia afaka mitifitra ianareo ».  Zandary mpanao vonjy taitra anjatony, izay notarihin’ny Jly Kaomandin’ny Fari-piadidiana Antananarivo, avy aty Antananarivo sy Arivonimamo no nalefa nanampy ireo tao an-toerana.

Vokany, tsy nisy aina nafoy, saingy zandary  miisa telo no naratra, potika tanteraka ny tambohon’ny toby, nahitana faharavàna hatramin’ny 50% ny biraon’ny toby, môtô miisa dimy kosa,  no may ka ny telo an’ny Zandarimaria, roa kosa an’ny zandary miasa ao an-toerana.Misokatra, araka izany,  ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ao an-toerana hisamborana ireo jiolahy nanafika sy ireo nanentana ny fanafihana ny Tobin’ny zandary ary ireo nahavanon-doza nanafika sy nanimba zavatra.

Lasibatry ny fandoran’ireo mpanafika ireo môtô.

Folo azo sambo-belona

Taorian’ny sakoroka, olona folo no efa voasambotra, izay ananana porofo fa nahavita ny fanafihana sy nandrava ny toby. Hivoatra ny toe-draharaha satria efa namboraka ireo namany izy ireo. Marihina koa, fa efa manana Tobim-paritra vaovao ny Zandarimaria ao Imerintsiatosika. Nohamafisina, araka izany, ny fiarovana sy fampandriana fahalemana ao Imerintsiatosika na andro na alina. Aoka tsy ho voasariky ny tsaho fa marina ihany no lazaina. Nisaorana manokana ireo vahoaka sy hery velona rehetra ao an-toerana nanampy ny Zandarimaria nandritra iny raharaha iny. Marihina fa efa nisy toy izao tao Imerintsiatosika tamin’ny fotoan’ny Tetezamita, saingy tsy nisy fisamborana tamin’izay ka tsy mety fay ireo olon-dratsy. Amin’ity indray mitoraka ity,  ampiharina amin’ireo nahavanon-doza ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara.

Fermer