Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANAKANAN-DALANA AMIN’NY RN 9 : Teratany vahiny roa lasibatry ny fandrobana tanaty taksiborosy
Nisy tranga fanakanan-dalana tamin’ny lalam-pirenena fahasivy na ny RN 9 « PK13+800m », teo amin’ny toerana atao hoe Andranongadra, fokontanin’Ambondrolava, kaominina ambanivohitra Belalanda, distrikan’i Toliara-II, ny farany herinandro lasa teo. Araka ny angom-baovao, andian-jiolahy manodidina ny valo eo ho eo ireo manatanteraka fanakanan-dalana ireto. Bajaj iray no afa-doza, izay avy any Toliara, saika voasakan’ireo jiolahy. Raha vao nahatsikaritra izany ny mpamily dia niverina tampoka ary tafaporitsaka nitsoaka ireo mpandeha tao anatiny. Taorian’izany, mbola nifanena tamin’ny fiara fitateram-bahoaka indray ireto andian-jiolahy mpanakan-dalana ireto. Vantany vao nahita ny zava-niseho ilay mpamilin’ilay fiara taksiborosy ity, dia niezaka niverin-dalana koa. Saingy, rehefa nitsoaka dia latsaka ary tafajanona tany amin’ny sisin-dalana ankavanana ilay fiara. Tsy afa-niala intsony, manoloana ireo jiolahy mpanakan-dalana, ka teo no nanararaotan’izy ireo nanafika an’ilay fiara.
Vokany, voaroba tamin’izany ny entan’ny teratany vahiny roa, izay antsoina hoe Anna. R.D, 33 taona mipetraka ao Nouvelle Zélande sy Alex L. J, 28 taona, avy any Suede, izay miasa ao amin’ny ONG SEED Mada ao Fort Dauphin, izay sendra niaraka tamin’io fiara fitateram-bahoaka io avy any Mangily ka hizotra ho ao Toliara. Manoloana io fanakanan-dalana nataona andian-jiolahy io, dia zandary miisa 10 no nahetsika avy hatrany avy any Toliara nanao ny fanarahan-dia miaraka amin’ny fokonolona. Nisy ny vokatra azo, ka tafaverina ny ankamaroany entan’ireo teratany vahiny voaroba, ankoatran’ny vola 1 hetsy ariary. Nitsoaka ireo jiolahy raha vao nahatazana zandary mpanara-dia, ka very dia tao amin’ny faritanin’Ambohimasoa, kaominin’ambanivohitra Maromiandra, distrikan’i Toliara-II. Mitohy ny fikarohana sy hazalambo ireo jiolahy mpanao fanakanan-dalana.
Pierre M.




