PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FANAKORONTANANA NY BAKALOREA 2023: “Raha ny Fitondrana no tsy tiana, aza ny zanaka malagasy no atao sorona”, hoy ny Filoha
Hentitra ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly mahakasika ny zava-niseho tamin’ny fikorontanan’ny Bakalorea noho ny fivoahan’ny laza adina mialoha tamin’ny taranja Tantara sy Jeografia. Tsy azo ekena, hoy izy, raha toa ka olom-bitsy no hanakorontana ny fanadinana sy ny firenena toy ireny. Tsy maintsy handray fepetra hentitra ny Fanjakana, ary ho hosazina ireo tompon’antoka tamin’ireny raharaha ireny.
Nanameloka ny tranga niseho, tao anatin’ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea, ny alakamisy teo, ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavi-pirenena omaly. Tsy azo ekena, hoy izy, ny fanakorontanana ny fanadinana sy ny firenena ataona olom-bitsy tahaka ireny. Notsindriany fa fanaovana takalon’aina ny zanaka malagasy ireny tranga ireny. Fotoana izay nanambarany fa “Raha toa ka ny Fitondrana no tsy tiana, aza ny zanaka malagasy no atao sorona”. Nambaran’ny Filoha fa manan-danja loatra ho an’ny tanora malagasy ny fanadinana bakalorea satria mahakasika ny hoavin’izy ireo. 12 taona, hoy izy, no nianaran’ireo tanora vao tonga amin’ny bakalorea, ka mendrika ny hiatrika ny fanadinana anaty fitoniana izy ireo. Araka izany, tsy maintsy handray andraikitra ny Fanjakana, ary hofaizina ireo rehetra tompon’antoka tamin’ireny raharaha ireny, araka ny fanambaran’ny Filoha hatrany.
Fanadihadiana
Mitovy amin’ny isan-taona hatrany ny fanomanana ny bakalorea, hoy ny Filoha, omaly, raha namaly ireo milaza fa tsy tomombana ny fikarakarana. Ny famoahana mialoha ny laza adina kosa dia zavatra niniana natao, ary efa mandeha ny fanadihadiana mifandraika amin’izany ankehitriny. Nomen’ny Filohan’ny Repoblika toromarika ihany koa ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena misahana ny heloka anabaka mba hanao fanadihadiana lalina ny amin’izay nipoiran’ny laza adina voalohany tany amin’ny tambazotran-tserasera, na ihany koa ho an’ireo nivarotra izany.
Raha tsiahivina, dia hisy ny famerenana ny adina Tantara sy Jeografia amin’ny Bakalorea 2023 amin’ity anio ity, ho an’ny sokajy A1, A2, C, D, ho an’ireo mpiadina izay maniry ny hamerina izany. Izany hoe, tsy an-tery fa miankina amin’ny mpiadina tsirairay. Nahemotra anio amin’ny 2ora tolak’andro kosa ny adina an-tsoratra amin’ny taranja EPS.



