PolitikaSongadim-baovao

FANAKORONTANANA NY ZOTRAM-PIFIDIANANA: Atao fitaovana indray ny fanelezana vaovao tsy marina sy tsaho

Teti-dratsy ampiasain’ireo mpikaraman’ady politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao indray ny fanelezana vaovao tsy marina entina hampisavorovoroana ny sain’ny mpanara-baovao. Anisan’ireo lasibatra tamin’izany ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Florent Rakotoarisoa omaly, izay naely fa lasa nitsoaka any Frantsa. Rehefa natao anefa ny fanamarinam-baovao dia niasa teny amin’ny Birao fiasany eny Ambohidahy ny Filohan’ny HCC omaly.

Vao marainan’ny omaly dia naparitak’ireo mpikaraman’ady politika tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook ny vaovao milaza fa lasa nitsoaka any Lafrantsa tamin’ny Sidina AF935 tamin’ny 11ora alin’ny 14 septambra 2023 ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Florent Rakotoarisoa. Ny pejy mpamoaka vaovao hafa aza dia milaza mihitsy fa ny Filohan’ny HCC sy ny vady aman-janany no lasa nitsoaka. Rehefa nohamarinina io vaovao io ny atoandron’ny omaly, dia hita teny amin’ny birao fiasany ny Filohan’ny HCC, izay nanambara fa mitohy miasa eto an-toerana ihany, ary tsy misy mihitsy antony tokony handehanany an-dafy.

Marihina fa nampiarahana tamin’ireo famoaham-baovao ireo ihany koa ny fandehanan’andriamatoa Andry Rajoelina sy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, izay tena samy lasa any ivelany tokoa. Saingy, omaly ihany andriamatoa Andry Rajoelina dia efa namoaka ny sariny miaraka amin’ny fianakaviany any ivelany. Ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy kosa indray dia lasa nanatanteraka iraka ofisialy nanatrika ny “Salon International Broadcasting Convention edition 2023”, nanomboka omaly 15 septambra hatramin’ny 18 septambra 2023 izao any Amsterdam, Pays-Bas, araka izay efa nampahafantarina tao anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny Governemanta, ny alarobia 13 septambra teo. Dikany, tsy misy mihitsy antony nametrahana olana ny fivoahan’andriamatoa Andry Rajoelina any ivelany, izay efa tsy Filoha am-perinasa intsony, ka afaka mivoaka any ivelany amin’izay fotoana mampety azy. Toy izany koa ny tsy tokony hametrahana olana amin’ny Minisitra am-perinasa izay manatanteraka iraka ofisialy. 

Fehezin’ny lalàna

Ampahany ihany iny niseho omaly iny fa maro ireo trangana fanelezana vaovao tsy marina izay mahazo vahana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Isan’izany ohatra ny fanambaran’ny mpanohitra sasany tanatina fandaharana iray ny hoe nanao fifanarahana tamin’ireo mpikamban’ny HCC andriamatoa Andry Rajoelina ny hampandaniana azy fihodinana voalohany. Fanambarana izay tsy misy porofo akory ary tsy misy fanamarinana akory kanefa mahatonga fisavorovoroana any an-tsain’ny mpanara-baovao.

Nampahatsiahivin’ny Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava omaly, fa fehezin’ny lalàna 2016-029  nasiam-panovana tamin’ny lalana 2020-006 tamin’ny 1 septambra 2020 ny fampiasana ny fitaovan-tserasera ho fampitam-baovao sy ny fanaovana ny asa fampitam-baovao (asa fanaovan-gazety). Araky ny voalazan’ny andininy faha 26 sy faha 27 amin’ny lalana mifehy ny Serasera ihany, hoy izy, dia ny sazy voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana (code pénal) no mihatra amin’ny olona voapanga fa nanao fihantsiana amin’ny heloka bevava sy amin’ny heloka tsotra tamin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera sy ny fampitam-baovao.

Ny Fanoratana.

Fermer