PolitikaSongadim-baovao
FANAKORONTANANA TAO TOLIARA: “Sarotra ny hino fa mpianatra no andeha handoro tranona mpampianatra”
Tsy misy mihitsy tombony ho azon’ny mpianatra, raha toa ka vatsimpianarana no takina kanefa ny tranon’ny mpampianatra izay mampita fahalalana aminao indray no handeha hodorana sy hosimbaina. Isan’ireo fanehoan-kevitra nataon’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo ireo, raha niresaka momba ny savorovoro nisy tao Toliara ny tenany omaly.
“Sao dia tafiditra lafiny politika ny hetsika?”, hoy ny Minisitra sady Mpitondra Tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo omaly raha niresaka mahakasika ny grevin’ny mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Maninday Toliara. Ny tenany izay nampahatsiahy ny zava-nisy tany amin’ny volana Janoary, izay nampisy fihetsiketsehana hafahafa tany amin’ny oniversite maro teto amintsika. “Tandremo fa rehefa misy ny hetsika hanakorontanana, dia saika atao karazana singa hanombohana izany, na ataon’ny mpanohitra fitaovana mandrakariva ny mpianatry ny oniversite noho ny fiheverana fa ireo no mora ahetsika”, hoy ny fanazavany.
“Aza manaiky atao fitaovana ara-politika izany… Izaho mino fa tsy mpianatry ny oniversite no handeha handoro tranona mpampianatra. Inona no tombontsoa amin’izany?”, hoy ny fanazavana. Mety ho mpikaraman’ady politika manararaotra ny hetsiky ny mpianatra mba hanaovana fanakorontanana ireny, hoy izy. Notsindriany fa tsy misy tombony ho an’ny mpianatry ny oniversite mihitsy raha hanao fitakiana dia ny trano no doroina. Izany anefa dia mandoto ny hetsik’ireo mpianatra manao fitakiana madio, hoy hatrany ny fanazavana.
Ireo mpikaraman’ady no mahazo tombony
“Melohina ny fanimbana, ny fandoroana sy ny fandrobana fananan’olona”, hoy izy. “Tsy tokony ho ny mpianatra ny hanao hetsika tahaka izany. Asehoy fa tsy ianareo no nanao ireny, asehoy fa feno fahendrena ianareo mpianatra mba tsy hahavoasoketa anareo rehetra”, hoy hatrany ny Minisitra nanamafy. Tsara ho fantatra fa tena misy tokoa manana tanjona hampifandona ny olon-tsotra amin’ny mpitandro filaminana. Ary ny mahazo tombony amin’ny trangan-javatra tahaka ireny dia ireo olona voakarama amin’ny fanakorontanana. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity fa tokony tsy hidirana politika ny hetsiky ny mpianatra ary ireo izay manao asa fanakorontanana dia tokony hampiharana ny lalàna ary entina eo anoloan’ny Fitsarana. Fotoana izay nanambarany fa efa misy anarana olona efa mandeha hatrany isaky ny misy hetsiky ny mpianatra tahaka ireny.
Manoloana ity savorovoro tao Toliara omaly ity, anisan’ireo niantso fitoniana ny Fikambanan’ny Zanak’Ampielezan’ny Faritanin’ny Toliara (Fizafato). Nambaran’izy ireo fa “Manoloana ny toe-draharaha mafampana misy ao amin’ny anjerimanontolo Maninday Toliara, ny Fizafato dia miantso fitoniana sy ny mba hirosoana amin’ny fifampiresahana an-datambatra boribory eo amin’ny Mpitondra Fanjakana sy ny mpianatra ary ireo olo-be sy Raiamandreny satria hoy ny fitenin-drazana hoe Tany misy olo-be, tsy miady zaza”.
Efa mamaha olana ny Minisitera Tomponandraikitra
Tsy marina ny filazana fa manao be marenina ny Fitondram-panjakana manoloana ireny fitakiana misy eny amin’ny oniversite ireny. Nilaza ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta omaly fa efa manao ny fandaminana ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony ankehitriny. Afakomaly, efa nisy ny fivoriana ampitain-davitra notarihin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra, niaraka tamin’ny mpikamban’ny Governemanta sy ny Minisitra tomponandraikitra. Nisy ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, nandritra izany, izay namaritra fa aloa hatramin’ny volana Jona ny vatsimpianaran’ny mpianatra. Efa nandray ny fepetra mifandraika amin’izany ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ar-tsiansa, niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
Ny Fanoratana.




