PolitikaSongadim-baovao

FANAMAFISANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Hiara-hiasa hanatsara fomba fiasa ny Bianco sy ny ARAI

Samy tafiditra ao anatin’ireo rafitra lohalaharana amin’ny fampiharana ilay Paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly ho an’ny taona 2025-2030 ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny Sampandraharaha misahana ny fanagiazana ireo Harena azo tsy ara-dalàna (ARAI). Zava-dehibe araka izany ny fisian’ny fiarahamiasa matotra eo amin’ny roa tonta, indrindra ho an’ireo fandikan-dalàna hisiana trangana kolikoly. Nisy, araka izany, ny fifanaovan-tsonia ny « Mémorandum d’entente » teo amin’ny Tale Jeneralin’ny Bianco, Razakamanana Gaby Nestor sy ny Tale Jeneraly Mpisolo toerana an’ny ARAI, Rajhonson Andrianjatovo Rado, omaly 13 Marsa 2025, izay mandrakitra fiarahamiasa 2 taona azo havaozina.

Ity fifanarahana ity dia mahakasika indrindra ny fifanankalozana toro, torohay, antontam-baovao ao anatin’ny fanadihadiana mifandraika amina raharaha kolikoly, famotsiam-bola, famatsiambola amin’ny resaka fampihorohoroana, fanodinkodinam-bolam-panjakana sy fananam-panjakana. Eo koa ny fiarahamiasa amin’ny fanagiazana ireo fananana tsy ara-dalàna hita mandritra ny fanadihadiana ataon‘ny Bianco ary nohamafisin’ny rafi-pitsarana mahefa. Hisian’ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta koa ny fitrandrahana ireo antontam-baovao azo mandritra ny fanambaram-pananana ao anatin’ny fanadihadiana ataon’ny Bianco na ny ARAI, izay tsy maintsy atao anatin’ny fanajana ireo lalàna manan-kery avokoa. Ary farany, ny fanamafisana ny  fahaiza-manao eo amin’ny roa tonta.

Tsara marihina fa nandritra izao fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa izao dia nanao ny fanambaram-pananany ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny ARAI, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ity rafitra ity. Fotoana izay nampahatsiahivan’ny Tale Jeneralin’ny Bianco ihany koa ny tsy maintsy hanaovana ny fanambaram-pananana, izay didin’ny lalàna. Izany no natao mba ho fampanjakana ny mangaraharaha amin’ireo mpiasam-panjakana rehetra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer