PolitikaSongadim-baovao
FANAMAFISANA NY SAZIN’NY MPANOLANA: Nankatoavin’ny HCC ny famosirana ireo voaheloka
Namoaka fanapahan-kevitra mikasika ilay “volavolan-dalàna laharana faha-002/2024 tamin’ny 24 janoary 2024 manova sy mameno ny andininy sasan-tsasany amin’ny Fehezan-dalàna famaizana malagasy mikasika ny fanolanana”, izay nolanian’ireo Parlemanta nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana teo, ny teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, omaly…
Voalaza ao anatin’izany, fa eo amin’ny andininy faha-06 sy ny faha-09 ihany no tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana, raha nankatoaviny kosa, ny andininy maro, izay mifanaraka amin’ny lalàna fototra ity. Tsy maintsy misy famoahana didim-panjakana enti-mampihatra ireo andinin-dalàna ireo, dia ny andininy faha-02 sy faha-03, ary ny faha-05, mba hanaja ny zon’olombelona ny fanaovana ny famosirana ara-panafody sy ara-pandidiana (castration chimique ou chirurgicale) ho an’ny lehilahy tratra manao fanolanana ka voaheloka amina zaza latsaky ny 10 taona, izay tena zava-dehibe ao anatin’ity lalàna nampiana sy namafisina ho an’ny mpanolana ity. Ankoatra izay koa ny andininy voalohany sy ny faha-04, faha-07, faha-08, ary faha-09 andalana faha-02 sy faha-10 ary faha-11, izay mifanaraka tsara amin’ny Lalàmpanorenana. Araka izany, azo ataon’ny Filohan’ny Repoblika tsar any mampanan-kery ity lalàna ity, saingy tsy maintsy misy ny fanesorana io andininy faha-06 sy faha-09 io. Ity andininy faha-06 ity, izay voalaza ao anatin’ilay lalàna, fa haseho ampahibemaso ho hitam-bahoaka. Mipetraka anefa, ny atao hoe “fiheverana tsy ho meloka ny olona iray mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana manameloka azy”, izay napetraky ny HCC, fa tokony harovana hatrany io tsy fiheverana ny olona iray ho meloka mialohan’ny didim-pitsarana azy io, mba tsy hiheverana ilay mpanolana mialohan’ny hivoahan’ny didim-pitsarana ho meloka avy hatrany. ny andininy faha-09 kosa, izay milaza fa rehefa mivoaka hanan-kery ity lalàna ity, ka mbola misy ny raharaha tsy voatsara dia amiharina amin’ireo raharaha efa nisy tany aloha. Nilaza anefa, ny HCC, fa misy ny foto-kevitra milaza, fa “tsy azo heverina mihitsy ny lalàna iray hampiharina amina tranga talohan’ny mampanan-kery azy”, izay manitsy, fa aorian’ny fotoana hampanan-kery ity lalàna ity no hampiharana azy amin’ireo tranga taoriany rehetra.
Lalàna mifono fotokevi-dehibe telo…
Nisy ny fanazavana nentin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ity fanapahan-keviny ity momba io Fehezan-dalàna famaizana nasiam-panitsiana io, dia ny tokony hananan’ireo mpanao fanolanana ny fahatahorana manoloana ny fikasan-dratsiny hanolana manoloana ny fahafantarany ity lalàna ity eo anatrehan’ny sazy mafy miandry azy, ka mba hihemorany amin’izany. Lalàna natao hisorohana ny famerenan-kelok’ireo voaheloka noho ny fanolanana, ary indrindra ny tsy hananan’ilay olona voasazy sy novosirina ny faniriana ara-nofo intsony. Nampian’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, fanazavana nandritra ny fandaharan’ny haino aman-jerim-panjakana, omaly, fa tanjona tratrarina anatin’ity lalàna ity ny fampifandanjana ny zon’ny mpanolana ka hananany faniriana ara-nofo hatrany, kanefa misy koa tombontsoan’ny besinimaro tsy maintsy arovana, fa indrindra ny zaza, izay tokony hanatrarana ny tanjona tadiavina ao anatin’ilay lalàna, dia ny fisorohana ny famerenan-keloka ka tsy halaim-panahy hamerina intsony ny mpanao heloka, ary tsy hatao manana faniriana ara-nofo itsony ny lehilahy iray gaigilahy amina fanaovana fanolanana sy habibiana ara-nofo. Eo koa ny hoe, ny sazy mipetraka dia tsy maintsy ampifandanjana amin’ilay tanjona tratrarina sy ny fiarovana ny zon’ny olona amin’ny ankapobeny. “Zava-dehibe ny fahazoana mampihatra ny lalàna amin’ny firosoana fanaovana famosirana ny olona manao fanolanana, fa indrindra amina zazakely, ho an’ireo mpamerin-keloka, izay sazy famonjana nampitomboana sazy sy fanaovana famosirana”.
“Tsy misy firenena na fikambanana iraisam-pirenana afaka mibaiko antsika”
Manoloana ny filazan’ny fiarahamonim-pirenena sasany eto an-toerana sy any ivelany toy ny Amnistie International, mikasika ity fanitsiana Fehezan-dalàna famaizana malagasy ity, dia notsindrian’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ary nohamafisin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, fa “tsy misy firenena na fikambanana iraisam-pirenena afaka mibaiko antsika amin’ny fiandrianantsika sy ny fandraisana lalàna heverina hiarovana ny tombontsoan’ny besinimaro sy hiarovana ny zaza malagasy, izay tsy tokony hisy adihevitra fa tsy maintsy hirosoana”. Nambarany, fa “tsy tokony hanao vain-drahalahy tsy maharary” dia ny zon’ireo zaza marary iharan’ny fanolanana, izay misy simba tanteraka sy namoy ny ainy mihitsy, vokatry ny habibiana manjo azy. Anisan’izany ny tranga tao Nosy-be. Ankoatra izay, ny andininy faha-34 amin’ity fanapahan-kevitra navoakan’ny HCC ity, mikasika ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny ankizy, dia milaza mazava fa manana zo ny fanjakana hiaro ny zaza sy ny Reny anatin’ny firenena iray. Io andininy io, izay milaza mazava, fa ny fanaovana herisetra ara-nofo na fitrandrahana ara-nofo zazakely dia toherin’ity fifanarahana iraisam-pirenena voalaza ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay manampy indrindra koa ny andininy faha-21 ao amin’ny Lalàmpanorenana, milaza, fa ny fanjakana teren’ny lalàna hiaro ny zaza sy ny Reny. Toherin’ity fanapahan-kevitry ny HCC ity, araka izany, ny filazan’ny Amnistie international fa manohitra ny fifanarahana iraisam-pirenena ny fanekena ity fanitsiana Fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana misy famosirana ity. Ny famosirana ihany koa, dia tsy voatery hahatsapan’ny atao azy hirifiry ka hampitombina ny fisiana fampijaliana araka ny fiheveran’ny sasany azy.
Stan R.



