PolitikaSongadim-baovao
FANAMBARAN’I MARCO R. SY NY EKIPANY : “Efa fampihorohoroana fa tsy fanoherana tsotra intsony”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo
Feno ny fepetra tokony hisamborana ireo mpanohitra mahery fihetsika monina any ivelany, ahitana an’i Marco Randrianisa sy ny ekipany, araka ny fanehoan-kevitry ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Lasa manaiky ny asa fampihorohoroana ny Fitondram-panjakana, hoy izy, raha tsy mandray andraikitra manoloana ireny fanambarana ireny.
Voaporofo tanteraka ny fifandraisan’ilay mpamily avy amin’ny Masoivoho malagasy tany ivelany izay mpitsikilo nirahin’ireo mpanohitra mahery fihetsika na « extrémistes » naka sary ny valizin’ny Filoham-pirenena, nandritra ny diany tao Vienne farany teo, araka ny nambaran-dRamatoa Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Soa ihany fa nisy ilay naka sary valizy iny nahafahana sy nahalalana ny zava-dratsy rehetra tao ambadika, hoy izy.
Taorian’iny raharaha iny dia nipoitra mivantana mihitsy ilay olona voatonontonona ho niray tendro tamin’ilay mpamily, dia i Marco Randrianisa, izay nilaza ampahibemaso fa « mila miroso amin’ny famonoana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina » izy ireo. Io Marco io ihany koa, raha tsiahivina, dia efa nanamboatra « bombe artisanale » saika hamonoana ny Filoha Andry Rajoelina tamin’izy Filohan’ny Tetezamita.
Mbola mitohy ankehitriny io asa ratsy sy fifofoana ny ain’ny Filohan’ny Repoblika io. “Tsy fanoherana tsotra intsony ny ataon’ireto andian’olona ireto fa efa asa fampihorohoroana sy fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika mihitsy”, hoy ny fanazavany. Raha ny fanambarana izay nataon’izy ireo tamin’ny Alarobia tany Paris dia « ny datin’ny 3 Septambra izao no hanaovan’izy ireo izany hetsika ratsy izany ». Azo adika ho fanabadoina ny Malagasy sy ny fanoherana aty Madagasikara ireny fanambarana ireny, hoy izy, satria fampirisihana olona hanao heloka bevava fotsiny ihany. Notsindriany fa tsy misy idiran’ny resaka politika mihitsy ny famotehana fananana olona sy fikasihan-tanana. Tsy fahalalahana maneho hevitra izany, tsy tokony hisy ny herisetra. “Olona noheverina fa mba afaka mandinika ihany izy ireo, satria misy mpitsara teo aloha. Ary mihevitra ny tenan’izy ireo ho ambony izy ireo kanefa manao fanehoan-kevitra mirefarefa amin’ny tany”, hoy hatrany Lalatiana Andriatongarivo.
Tomponandraikitra amin’izay zava-miseho…
Manoloana izany, nanambara ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa tompon’andraikitra feno tanteraka izy ireo raha misy zavatra mitranga eto amin’ny Firenena, indrindra amin’ny andron’ny 3 septambra. Nilaza, araka izany, ity tomponandraikitra ity fa lasa manaiky ny fampihorohoroana ny Fitondram-panjakana raha toa ka tsy mandray fepetra, manoloana ity tranga ity. “Ampy kosa angamba izay fiantsiana ataon’ireto olona ireto ny Fitondram-panjakana izay ka angamba efa tokony hiroso amin’ny raharaham-pitsarana miafara amin’ny fisamborana azy ireto”, hoy izy.
Afaka maneho hevitra sy tsy fankasitrahana ny Fitondrana amin’ny alalan’ny latsa-bato ny tsirairay, fa tsy ny fampihorohoroana no atao hoe fanoherana ara-demokratika, hoy hatrany izy.




