KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FANAMBARAN’I PAPA FRANSOA –LGBT : « Horonantsary natambatambatra no naparitaka », hoy ny Kardinaly Tsarahazana

« Tsy miova hatrany ny fampianaran’ny Fiangonana amin’ny tsy fankatoavana ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana », hoy ny fanambaran’ny filohan’ny fiombonam-ben’ny eveka eto Madagasikara, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, omaly.

Mazava tsara ny fanambarany omaly raha nilaza fa ataon’ny olona sasany fitaovana hanakorontanana saim-bahoaka ny fampiasana ny anaran’i Papa sy ny fanaovana tamban-tsary tahaka ireny. Noho izany, tsy mitombina ary diso tanteraka ny resaka niely lazaina fa fanehoan-kevitry ny Papa François momba ny fanekena ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana. Raha tsiahivina, niparitaka be ilay hoe manaiky ny “union civile” ho an’ireo mitovy fananahana ny Papa François. Tsy misy an’izany velively, hoy ny fanambarana. “Fanambatambarana zavatra maro izay noresahany tany aloha na “montage”, 18 volana lasa izay iny horonantsary niparitaka iny”, hoy ny Kardinaly. Ankoatra izay, fanahy iniana nodisoana koa ny fandikan-teny natao, hoy izy, mba handresena lahatra ny olona fa hoe izao sy izao no zavatra nambaran’ny Papa Ray Masina. Miantso fitoniana sy fahamailoana hatrany, araka izany, ny Kardinaly.

Fermer