PolitikaSongadim-baovao
FANAMBARAN’NY RMDM : Manaporofo ny tetika handrombaka Fanjakana amin-kery
Araka ny efa hita soritra hatrany am-piandohana, miseho masoandro tanteraka ankehitriny ny teti-dratsin’ny vondron’ny mpanohitra amin’ny fikasana fanonganam-panjakana. Omaly, raha tatitra foana no nohirahiraina fa anton’ny fidinana andalambe, dia nitsotra ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny fanoherana fa mivadika ho « tolona » ny hetsika ary tsy hijanona raha tsy tratra ny tanjona. Mazava fa fandrombahana Fanjakana amin-kery no tanjona.
Ny RMDM, ny Vondron’ny Panorama, ny TIM, ary ireo Solombavambahoaka mpanohitra no niray feo omaly nanao fanambarana mahakasika ny fivadihan’ny hetsiky ny mpanohitra ho lasa « tolom-bahoaka », araka ny filazan’izy ireo azy. « Miova ho tolona ny tatitra izay saika atao ary tsy hijanona izany raha tsy tratra ny tanjona », hoy izy ireo. Nezahana novoizina tao anatin’ny fanambarana ny filazana fa Fanjakana jadona sy manao fanaparam-pahefana no misy eto. Mbola nambara koa fa “tanam-polo ny vahoaka, kanefa dia fitaovam-piadina mahery vaika no harangaranga. Koa melohina tanteraka ireny herisetra nitranga tamin’ny sabotsy lasa teo ireny. Ary mangataka ny hamoahana izay voasambotra satria tsy misy vaky trano na fanankorontanana na rà latsaka teo ka gadraina ny olona”.
Mahakasika ny filazana fa manao didy jadona sy manapatra fahefana ary manohitohina ny fahalalahana miteny ny Fitondram-panjakana, dia azo antoka fa samy nahita sy nandre ny teny rehetra nivoaka tao amin’ny fandaharana fanaon’ny mpanohitra isanandro ny rehetra, ary nandre ireo teny fihantsiana sy feno fandranitana ary mandrangaranga fanakorontanana avy hatrany. Rariny, araka izany, noraisina ny fepetra. Ary asa sy andraikitry ny mpitandro filaminana mihitsy koa no miantoka ny filaminan’ny Fanjakana sy ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Antony nanaovan’ny mpitandro filaminana ireny fomba fiasa ireny noho izany ny fisorohana izany mety ho amboletra sy fanakorontanana ary fihoaram-pefy ataon’izay mikasa hivorivory eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Ny prefektiora rahateo efa namoaka fanambarana ny tsy fahafahana manao hetsika eo Analakely sy Ambohijatovo ny andron’ny 20 Febroary ka antony nanamafisana ny fiambenana ny toerana.
Efa fantatra hatrany am-boalohany
Raha io fanambarana io no hiaingana dia manaporofo tanteraka izay efa voalaza hatrany am-boalohany. Tomponandraikitra maro no efa namaky bantsilana io tetikadin’ny mpanohitra io, ary anisany lohalaharana nilaza izany ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Mibaribary fa ny handrombaka fahefana mialohan’ny taona 2023 no kajikajy politikan’ny mpanohitra. Raha tsiahivina, efa nambara teto fa ny volana telo voalohany amin’ny taona matetika mahasahirana ny vahoaka hatrany. Hararaotin’ny mpanohitra anefa izany, ary hahetsika avokoa ireo vondron-kery azo ahetsika rehetra, toy ny mpianatra, ny sendika, hatrany amina mpitantana oniversite. Tsy mitaza-potsiny an’izany politika maloto izany anefa ny Fanjakana fa manara-maso akaiky ary mandray ny andraikitra avy hatrany amin’izay tsy fanarahan-dalàna voaporofo.
Ny Fanoratana.




