Songadim-baovaoSosialy
FANAMBOARAN-DALANA ETO AN-DRENIVOHITRA: Vita ny mampitohy an’Ankadimbahoaka-Bypass, lalana miisa 17 hafa amboarina
Mifanome tanana ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra. Araka ny angom-baovao dia lalana miisa 17 ankehitriny no fantatra fa ho atomboka ny fanamboarana azy, ankoatra ny tetsy Ankadimbahoaka-Bypass izay efa vita tanteraka ny fanarenana azy.
Tao anatin’ny 12 andro teo no notapahana tanteraka ny lalana Ankadimbahoaka-Ankadiaivo noho ny asa fanarenana sy fanamboarana. Ny talata hariva lasa teo no niverina ho azon’ny rehetra ampiasaina indray io ampahan-dalana io, taorian’ny fitsirihana nataon’ny tomponandraikitra nahitana ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy, ny Faritra Analamanga, ary ny kaominina Antananarivo renivohitra.
Ankoatra io sy ny eny amin’ny manodidina ny 67ha izay efa amboarina amin’izao fotoana, fantatra fa lalana miisa 17 hafa eto an-drenivohitra ihany koa no hisitraka izay fanatsarana izay. Tafiditra ao anatin’izany ny Ankadimbahoaka mihazo ny Jovena Anosizato, Ankasina- SEIMAD, GAMO-Nanisana, Ankadimbahoaka-Androndra-Mahazoarivo, Antanimena-Ankadifotsy-Ambondrona, sy ny sisa. Mba hialana amin’ny fanapahana tanteraka sy ny fanelingelenana toy ny niseho tamin’ny farany teo io, nandroso soson-kevitra ny Governoran’Analamanga, Hery Rasoamaromaka. Nambarany fa tokony jerena mialoha ny endriky ny lalana. Vatany vao miforona ireo lavadavaka dia efa tokony handraisana fepetra.
Tamin’io talata io ihany koa dia nitondra ny teny fanentanana ho an’ny rehetra ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny Kolonely Andrianatrehina Livah. Nambarany fa tsy tokony harina eny amin’ireo lakan-drano manamorona ny sisin-dalana ny fako. Manentsina azy ireny izany ka mitarika ny fiakaran’ny rano eny amin’ny arabe. Iaraha-mahalala anefa fa ny rano no fahavalo voalohan’ny lalana. Farany, nitondra ny teny fanentanana ho an’ireo rehetra manao asa fanasana fiara manamorona ny lalana ihany koa izy. Mila hatsahatra izany ary any amin’ny toerana voatokana hanaovana izany no tokony hanasana ny fiara, araka ny nambarany hatrany.
Sarobidy Sidonie sy LR.



