PolitikaSongadim-baovao
FANAMBOARAN-DALANA, FANATSARANA IREO TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA, …: Nanolotra 534,9 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ny Banky iraisampirenena
Any Washington DC ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity. Ivon’izao dian’ny Filoha any an-toerana izao ny fihaonana amin’ny filohan’ny Banky iraisampirenena sy ny tale jeneralin’ny tahirimbola iraisampirenena. Nanamarika ny andron’ny omaly kosa ny fifanaraham-piaraha-miasa roa sosona, mitentina 534,9 tapitrisa dolara nosoniavan'i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena. Fanamboaran-dalana, fanatsarana ny kalitaon’ireo tolotra ara-pahasalamana no isan’ny iompanan’io famatsiam-bola io.
Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa roa lehibe miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena nosoniavin’ny Governemanta Malagasy izay natrehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Tale Jeneraly Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena aty amin’ny faritra Afrika, Atoa Hafez Ghanem, omaly, tao Washington DC. Ny voalohany, izay mitentina 400 tapitrisa dolara, dia hamatsy ny fanamboarana ireo lalana any amin’ny faritra Avaratra Andrefana (RN31) sy any Atsimon’ny Nosy (RN10). Isan’ireo lalam-pirenena voakasik’ity famatsiam-bola nomen’ny Banky Iraisam-pirenena omaly ity ny lalana mirefy 400 km ao amin’ny RN10 izay mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe, mampifandray Faritra 3 dia Androy, Atsimo Andrefana ary Anôsy. Eo koa ny lalana mirefy 100 km eo anelanelan’i Mangaoka sy Bealanana, ao amin’ny RN31.
Ny tetikasa faharoa kosa, izay tohanan’ny IDA sy ny Global Financing Facility (GFF) mitentina 134,9 tapitrisa, dia hanohana an’i Madagasikara amin’ny ezaka efa ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fiatrehana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sehatra rehetra sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fitsaboana eny ifotony.
Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa ny fahavitan’ireo fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ireo dia midika fa mipetraka ny tsara ny fiarahamiasa eo amin’I Madagasikara sy ny Banky Iraisampirenena. Ary koa, manaporofo ny finiavan’ny Banky iraisampirenena hanome tanana ny fampandrosoana ny Firenena.
415 tapitrisa dolara ho fanarenana ny firenena
Nihaona manokana tamin’ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena David Malpass sy ny Tale jeneraly ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) Kristalina Geoieva, any Washington DC, ny Filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina tamin’izao diany any Washington DC izao. Izany dia tafiditra ao anatin’ilay fihaonana an-tampony mikasika ny famatsiam-bola, Spring Meetings 2022.
Raha mbola teo am-piatrehana ny krizy ara-pahasalamana naharitra roa taona, krizy namely an’izao tontolo izao ary nampitondra faisana hatramin’ireo firenen-dehibe i Madagasikara dia efa nianjadian’ireo loza voajanahary sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro ihany koa. Teo ireo rivodoza nifanesy, ireo tondra-drano sy ny haintany. Taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza dia nametraka ny Drafi-panarenana Nasionaly na ny PNR ny Fanjakana. Ary niaraha-nidinika tamin’ny filohan’ny Banky iraisam-pirenena, David Malpass sy ny Tale Jeneralin’ny FMI, Kristalina Georgieva izany nandritra ny fihaonan’ny Filoha malagasy tamin’izy ireo, tao Washington DC. Namaly avy hatrany ny Banky iraisampirenena ka nanaiky hanome 415 tapitrisa dolara ho fanohanana an’i Madagasikara.
Tetikasa maro, hitondra fanovana hanarenana ny firenentsika no voafaritra anatin’izay drafitra izany toy ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fiahiana ara-tsosialy, ny rano, ny trano fonenana, ny fanabeazana, ny fanavaozana ny fitantanambolam-panjakana ary ny fahasalamana.




