Songadim-baovaoSosialy

FANAMBOARANA FANTSONA: Hiato mandritra ny adiny 8 ny famatsian-drano amin’ny faritra maro anio

Tsy mitsaha-mitaraina ny mponina amin’ny faritra sasany eto an-drenivohitra mahakasika ny fahafahan’izy ireo misitraka rano fisotro madio. Ankoatra ny fifandimbiasana amin’ny fandehanan’ny paompin-drano, lasa nisy fahatarana ihany koa tato anatin’ny andro maro izao ny fandehanan’ireo paompy ireo. Voakasika manokana amin’izany ireo manana paompy any an-tokantrano. Andro maro no efa tsy nisitrahan’izy ireo rano avy amin’ny Jirama intsony amin’ny andro antoandro. Amin’ny hariva indray, manodidina ny amin’ny 10 ora alina vao mirotsaka ny rano, raha toa ka ora roa mialohan’io izany teo aloha.

Mbola hihamafy hatrany anefa izay olan’ny famatsian-drano izay anio. Nanambara ny Jirama fa misy fantsona lehibe 600mm vaky ao Mandroseza I. Hotanterahana anio 28 aprily ny asa fanamboarana izany. Haharitra adiny 8 eo amin’ny ankapobeny ny fanatanterahana io fanamboarana io, manomboka amin’ny 07 ora maraina. Vokatr’izany dia hiato ny ampahany amin’ny toeram-pamokarana rano ao Mandroseza mandritra io fotoana io. Hisy fikorontanana na fahatapahana, araka izany, ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto an-drenivohitra anio. Anisan’izany ny eny amin’ny manodidina an’Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Antaninandro, ary Behoririka. Mahazo an’Andravoahany, Ambatomitsangana, Manjakaray, Anjanahary, sy Amboditsiry. Tonga hatreny Tsiadana, Fort-voyron, Mahamasina, Ampandrana, Ankadivato, Ambanidia, La Haute ville, Mahazoarivo, Ankadievo. Avy eo mivadika eny Alasora, Imerimanjaka, Ankaraobato, Tanjombato, Andoharanofotsy, Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokona, Andraisoro ary Antsahameva.

Na eo aza moa io fahatapahana amin’ny famatsiana io, nanambara ny Jirama fa hiverinana tsikelikely ny rano rehefa tontosa ny asa fanamboarana sy rehefa tomombana ny tambazotra.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer